Nivoaka tamin’ny fahanginany indray ny pastera Edoaurd Tsarahame mpikambana eo anivon’ny Rodobe Malagasy Tia tanindrazana ho an’ny fanovana ifotony omaly manoloana ny fandraisana ny frankofonia hotanterahina eto amintsika ny herinandro ho avy io.
Nambarany fa samy tsy mankasitraka ny hahatongavana sy hanatanterahana izany eto amintsika na ny vahiny avy any ivelany na ny mpampianatrano. Porofo ny tsy mbola namalian’ny Frantsay ny hetaheta sy ny antsoantson’ny vahoaka Malagasy mikasika ny tokony hamerenana amintsika ireo Nosy Malagasy nobodoin’izy ireo. Faharoa dia ny fanafenana ny dosie mikasika ny raharaha tolona 1947 nitranga teto amintsika ary fahatelo ny fahafantarana fa tsy hatory eto amintsika ny filoham-pirenena Frantsay François Hollande mandritra io herinandro hanatanterahana ny frankofonia io fa handalo fotsiny ihany ary atsy amin’ny Nosy La Réunion izy no hatory. Midika io fa tsy matoky ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana intsony ny Frantsay ka tokony ho tonga saina iretsy voalohany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.