Politique

Pastera Edouard “Fametrahana mpanjaka no natao teny Ivato”


  • Alatsinainy 16 Aogositra 2010


Tsy ny mpanao politika no hitondra amin’ny ankavia na ankavanana fa ny vahoaka no masi-madidy. Ho an’ny solontena avy amin’ireo Kmfb dia tsy fifanarahana politika no natao teny Ivato fa fifanarahana lany ‘fika’, hoy izy ireo. ‘Fika’ tadiavina hipetrahana ela eo amin’ny toerana, hoy ny pastera Edouard kanefa dia manome azy ireo ity volana ity ny tenany. “Fametrahana mpanjaka” no natao teny Ivato, hoy izy ary ireo ‘mpanompo azy’ no najoro teny. Tsy ho eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena na oviana na oviana ny toe-javatra toy ireny, hoy kosa i Victor Hong avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Efa nanao sonia ny fifanarahan’i Maputo rahateo koa ny ankamaroan’ireny sokajin’olona teny Ivato ireny. “Anjarantsika vahoaka ny mijery ny fihetsik’ireo mpanao politika ka aza omena vato intsony izy ireny”, hoy ihany izy. Herim-po no angatahina amin’ny tsirairay, hoy ihany i Victor Hong izay nanentana ny vahoaka handray andraikitra. Hitohy ary hiavaka ny hetsiky ny Ankolafy Telo amin’ity herinandro ity, araka ny fanazavana. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT