Tsy dia maniry loatra ny ho lasa ho filoham-pirenena aho, hoy ny pasitera Mailhol tamin’ny sabotsy teo teny Antsonjombe.
Raha izay anefa no sitrak’Andriamanitra dia ekeko an-tsitrapo. Raha manontany ny mpanao gazety ny amin’ilay faminaniana tamin’ny 2013 tsy tanteraka dia nambarany tsotra fa diso daty isika tamin’iny. Ny faminaniana dia mijanona hatrany izay nilaza fa mpitondra firenena roa nifandimby taorian’ny filoha Marc Ravolamanana ary ny iray dia efa nitondra teo ka miverina dia anjarako ny miakatra eo amin’ny fitondrana manaraka. Raha mahavita ny fe-potoana hiasany hatramin’ny taona 2018 izany ny filoha Rajaonarimampianina dia mety hiverina fanindroany na nisy efa nitondra koa mety hiverina eo dia izaho no handimby azy. Izaho anefa tsy dia mankasitraka ny fanonganam-panjakana sy ny fidinana an-dalambe ary tsy mbola nanohitra mpitondra teto amin’ny firenena hatramin’izay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.