Ho an’ny pasitera Mailhol, filoha mitarika ny fiangonana Apokalipsy sady mpanaraka akaiky ny raharaham-pirenena dia mety tsy hisy fifidianana ho vita izany amin’ity taona ity, raha tsy hoe mampiantso ny mpifidy amin’io herinandro ambony io angaha, ny fitondrana tetezamita.
Notsiahiviny fa raha ny lalàna mifehy ny fifidianana no jerena dia tokony ho 90 andro mialohan’ny daty hanaovana ny latsa-bato no hiantsona amin’ny fomba ofisialy ny mpifidy. Izay aloha no lalàna mbola manankery eto Madagasikara ka izay no tokony hajaina sy arahana, araka ny filazany ; saingy raha toa moa ka tsy hanaja ny lalàna isika, hoy ihany ny pasitera Mailhol dia afaka ovaina io ka mamoaka didy hitsivolana fotsiny ny FAT dia ambara fa noho ny hamehana dia atao ny fifidianana. Misarika ny sain’ny rehetra ity filohan’ny fiangonana Apokalipsy ity fa nifanekena fa tsy atao mandritra ny vanimpotoan’ny orana ny fifidianana rehetra eto Madagasikara, raha toa anefa ka amin’ny faran’ny volana aogosira na amin’ny fiandohan’ny volana septambra vao hiantso ny mpifidy ny fitondrana tetezamita, ka hajaina ilay telo volana dia ao amin’ny volana desambra izany no hatao ny fifidianana, izany hoe efa anaty fahavaratra tanteraka.
Mametraka olana ihany koa, indrindra fa ho an’ny FAT, araka ny filazany ny fiandrasana izay fanapahan-kevitry ny SADC momba an’i Madagasikara sy ny fanasoniavana ilay sori-dalana satria tsy misy daty mazava mbola fantatra, izany hoe hihemotra ny fanatanterahana ny fifidianana ary hitatra indray ny fe-potoana iasan’ny tetezamita. Araka ny vinavinany dia mety tsy hisy ny fifidianana ho vita amin’ity taona ity fa any amin’ny volana mey 2012 any mihitsy vao ho tanteraka izany satria misy ny kipitsopitsony araka ny lalàna ihany koa tsy maintsy arahina fa tsy hoe antsoina fotsiny ny mpifidy dia atao ny fifidianana, ary raha ny filazan’ny pasitera Mailhol aza dia mety mbola hisy indray ny fikitihana ny lalampanorenana satria raha ny tokony ho izy dia ampidirina ao, araka ny filazany izay fehin-kevitra voasoratra ao amin’ilay sori-dalana mba hampanan-kery azy araka ny lalàna velona sy misy eto Madagasikara. Fehiny dia maminavina ny pasitera Mailhol fa any amin’ny volana novambra 2012 any mihity vao mety ho vita ny fifidianana filoham-pirenena, raha toa ka ny fifidanana Ben’ny tanàna sy solombavam-bahoaka no alefa mialoha. Mety mbola hiova ihany koa anefa izany tombatombana rehetra izany, araka ny filazany ihany raha toa ka misy ankolafy iray na roa tsy mety manasonia ilay sori-dalana, dia mbola ho tantara be no hitranga eto !
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.