Manamafy ny pasitera Mailhol fa izy no ho filoham-pirenena amin’ny 2013, ary tsy hoe haka fitondrana izy na hanao propagandy na hirotsaka hofidiana, fa dia hatolotra azy tsotra izao izany fitondrana izany.
Pasitera Mailhol moa dia anisan’ireo mahatsapa fa sahirana ny firenena amin’izao fotoana ary miha mahery vaika ny krizy. Na izany aza anefa dia nilaza ny filohan’ny fiangonana Apokalipsy fa isika samy Malagasy ihany dia afaka mamaha ny krizy fa tsy voatery hiantehitra amin’ny vahiny. Aminy dia tsy mitombina loatra ny nanasazian’ny vondrona Afrika ny mpitondra anatin’ny tetezamita sy ireo olona sasantsasany voatondro fa nanongam-panjakana tamin’ny herintaona. Tsy misy filazana mihitsy mantsy ao amin’ny satan’i Maputo hoe saziana izay ankolafy tsy mampihatra io fifanarahana io. Na izany aza anefa dia tsy tokony ho namaly bontana ka namoaka fepetra ny hanasazy ireo avy amin’ny ankolafy telo ihany koa ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, araka ny hevitry ny Pasitera Mailhol ihany. Aminy dia vita amin’ity taona ity ny fifidianana filoham-pirenena raha toa ka ilay Antenimieram-panorenana no mandany lalampanorenana ; raha tsy izany kosa dia any amin’ny tapaky ny volana jona amin’ny 2011 any ho any vao mety ho vita ny fifidianana ny filoham-pirenena izay hitantana ny Repoblika faha-4. Raha ny faminaniana voarainy anefa dia tsy ahavita hatramin’ny farany ny fotoam-piasany io filoham-pirenena io ; hisy olona hafa handimby azy ary tsy hahatody hatramin’ny farany koa ity olona faharoa hitantana ny Repoblika faha-4 ity. Aorian’izany rehetra, araka ny nambaran’ny Pasitera Mailhol ihany no hatolotra azy ny fitondrana. Raha ireo filoha telo teo aloha indray dia nambarany fa tsy hisy tafaverina eo amin’ny fitondrana intsony izy ireo. Nanamafy hatrany ny tenany fa tamin’ny 1990 no naharay io faminaniana momba ny zava-nitranga rehetra sy izay mbola hitranga eto Madagasikara io, ary izy no nirahan’Andriamanitra hamonjy ity firenena ity, araka ny filazany ihany. Hatramin’izay, hoy ny Pasitera Mailhol dia “marina avokoa ny zavatra nambarako na dia maro aza ny olona nanakiana ahy sy nilaza hoe adala mirediredy aho”.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.