Politique

Pasitera Edouard Tsarahame “Sambory izay nitarika olona teo amin’ny RNM sy TVM tamin’ny 26 janoary 2009 !”


  • Zoma 05 Aogositra 2011

Eto amin’ny Magro Behoririka irery ihany no kianjan’ny politika eto amintsika fa eto no afahana maneho hevitra an-kahalalahana sy milaza ny tena marina amin’ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame omaly.

 Notokanana fahatany ilay kianja alain-drony etsy Ambohijatovo, hoy izy. Efa tsy halohalika intsony ny rano ankehitriny, hoy ity mpitari-tolona ity, fa efa mihoatra ny loha ka izany no nampaherihery teny ny solontenan’ny mpitolona avy any Toliara teo. Mikasika ilay resaka fitsarana mahaleotena nodradradradrain’ny FAT afak’omaly dia nijoro vavolombelona tamin’ny nahazo azy ny Pasitera Edouard ka nilaza mazava fa didin’ny mpitondra ambony no nanagadrana azy sy ny namany fa tsy nisy nitombina ireo fiampangana azy niisa telo, indrindra ilay hoe nitarika olona an-dalambe. Nosakanan’ny mpitandro ny filaminana tsy ho ao amin’ny Kianjan’i Malacam izahay no nahatonga ny arabe tsy navelan’izy ireo andehanana. Fa raha resaka fitarihana olona izany, iza, hoy izy, no nitarika olona teo amin’ny RNM sy TVM tamin’ny 26 janoary 2009 ? Sambory àry raha mahaleotena tokoa ny fitsarana ankehitriny, dia asehoy koa fa mahaleotena koa ianareo mpitsara mitsara io trafikana andramena io !

 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT