Politique

Pasitera Edouard Tsarahame Folaka ihany ny FAT


  • Zoma 12 Aogositra 2011

Ny raharaham-pitsarana an-dRalitera sy ny taratasin’i Joachim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC no nibahana tao amin’ny Magro Behoririka omaly

 Nisaotra ny olona tonga maro teny Anosy i Zafilahy. Notohizan’i Manoela avy hatrany izany tamin’ny filazana hoe : “isaorana ny fitsarana namoaka olona tsy meloka, ataovy tahaka ireny ihany koa ny miaramila voampanga tamin’ny raharaha BANI sy FIGN. Tsy nanafika ireny fa voatafika”. Dia mbola nanampy koa ny Pasitera Edouard Tsarahame fa : “folaka ihany ny FAT. Raha mbola mikiribiby eo koa dia adim-poko no hiafarany !”. Fa i Tabera Randriamanantsoa kosa no nanambara fa nisy iraky ny filoha afikanina tatsimo Jacob Zuma tonga tamin’ny herinandro nitondra taratasy ho an’i Andry Rajoelina sy Pr Zafy Albert miantso azy ireo, ka ho hita eo. Mazava, hoy izy ny sori-dalana fa mody Ravalomanana sy Radidy ary mivoaka ny gadra politika.

Mbola notohizana fa tsy mandeha ny fifidianana raha tsy feno ny fepetra rehetra ary niteny an’io daholo ny rehetra. Kianina ny ankolafy Zafy hoe inona no iarahana amin’ny ankolafy Ravalomanana, hoy i Tabera. Izy ihany no mamaly fa samy Malagasy ary vahoaka malagasy no manaraka azy ireo, ka mila mifamela. I Camille Mektoub kosa no nanamarika fa “diso ny mihevitra fa nandany andro isika teto an-kianja”. “Mandray ny vokany isika izao. Tsy mbola niteny ny filoha Ravalomanana dia ny SADC no tonga aloha”, hoy izy. Telo no zavatra azo raisina amin’ny taratasin’i Joachim Chissano, hoy izy : tsy manaiky ny fifidianana hataon’ny FAT, atolotra any amin’ny Firenena Mikambana ny resaka Madagasikara ary voasoratra indray ilay hoe “autorité de fait”.


Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT