Tsy hisy fivoriana vanona, tsy hisy lalŕmpanorenana hijoro eto amintsika raha tsy hifanarahan’ny rehetra, hoy i Aina, solontenan’ny tanora nandray anjara fitenenana tao amin’ny Magro Behoririna, nandritra ny hetsiky ny ankolafy telo omaly.
“Tsy maintsy manavotra ny tanindrazana isika”, hoy i Manoela ary “mila miray hina hanalana ny mpivarotra tanindrazana”, ary nanamafy fa “filoham-pirenena mahay no ilaina hitondra an’i Madagasikara”. Tetsy an-danin’izany dia nanao antso avo amin’ireo ampanjaka sy olobe mandray anjara amin’ny fanomanana fihaonambem-pirenena kasain’ny FAT hatao ato ho ato i Mektoub Camille, avy amin’ny ankolafy Zafy. Tandremo, hoy izy, fa izay tetiky ny olona mankahala fampihavanam-pirenena dia hametraka olana ho anareo, rehefa hiverina any amin’ny faritra sy ny tany niavianareo ianareo. Momba ny raharaha Soalala dia nohamafisin’i Mektoub fa “tsy mbola nisy na iraimbilanja aza nirotsaka tamin’ny kitapom-bolam-panjakana”. Fa araka ny vaovao nampitain’i Jhonson, dia tsy maintsy manontany ny hevitr’Afrika Atsimo i Frantsa amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara. Nambarany koa fa tsy maintsy hisy fandaminana eo anivon’ ireo mpitarika ny tolona ho fanomanana ny fiverenan’ireo filoham-pirenena teo aloha. Araka ny lahatenin’ny pasitera Edouard izay naverimberiny matetika omaly dia “hiverina mialoha ny 26 jona ho avy izao ny amiraly Ratsiraka sy i Marc Ravalomanana”. Ny filoha Ravalomanana moa dia efa tamin’ny herintaona toy izao no nolazain’ny solombavambahoaka teo aloha Rakotoarison Yves Aimé, na i Meme teny amin’ny Magro Ankorondrano fa hiverina ny filoha. Herintaona taty aoriana, dia naverin’ny pasitera Edouard ny fanambarana goavana izay andrasan’ireo vahoaka fatratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.