Politique

Parlemanteran’Amoron’i Mania Tonga ny rehetra, afa tsy Ramakavelo


  • Talata 02 Novambra 2010


Nihazakazaka niseho tany amin’ny faritra niaviany ireo olona notendren’ny FAT, ho mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) taorian’ny nahavitan’ny fivorian’izy ireo voalohany, ny 11 ka hatramin’ny 26 oktobra teo. Miisa 13 izy ireo ho an’Amoron’i Mania. Ny zoma 29 oktobra izy ireo no nifanao fotoana fa hiseho amin’ny vahoaka tao Ambositra, notarihin’ny jeneraly Dolin Rasolosoa, filohan’ny CST. Tsy tazana tany kosa ny jeneraly Ramakavelo Désiré philippe, mpikambana notendren’i Andry Rajoelina eo anivon’ny CST ihany koa. Tsy nambara aloha hatreto ny tsy nahatongavany niaraka tamin’iretsy namany. Tao Ambositra ihany koa, very dia tamin’ny rindran-kira tao Antamponivinany nafanain’ireo tarika malaza toa an-dry Rebika ny olona dia nangingina tany ny resabe, tsy araka izay nandrenesana azy nialoha ny fotoana. Ho an’ny jeneraly Dolin Rasolosoa dia nitohy tamin’ny fangatahana tsodrano tany Fandriana ny diany ny sabotsy 30 oktobra teo. Ny fanontaniana apetraky ny maro moa dia ny hoe, hitondra inona ho an’Amoron’i Mania izy 13 ireto, ary hanafoana ny krizy koa ve ? Mahakely finoana ihany mantsy izany, raha mahita ny fihazakazak’ireto olona notendrena ireto amin’ny fitakiana tombontsoa sy karama be nandritra iny fe-potoana fivorian’izy ireo voalohany iny. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT