Politique

Parlemantera TIM tao Iavoloha Tsy mamatotra ny antoko ny fanapahan-kevitr’izy ireo


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2010


Manoloana ny resabe nandeha taorian’ny fahitana andian’olona nitondra ny lokon’ny antoko Tiako i Madagasikara nandray anjara tamin’ny dinika politika, araka ny fanasan’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny zoma 06 aogositra teo dia nanao fanambarana ireo Solombavambahoaka mivondrona ao amin’ny Vondrona Parlemantera Tiako i Madagasikara milaza fa : «tsy nandefa solontena tany amin’ny Dinika niarahan’ny Vondrona mpanao politika tany Iavoloha» iny. Nanamafy izy ireo fa «ny olona nandeha tany dia tsy mitondra ny anaran’ny TIM fa mandeha amin’ny anarany manokana”. Nanipika mazava ireo Solombavambahoaka, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tao amin’ny Tiko Bel’Air misy ny foiben-toeran’ny ankolafy Ravalomanana fa «ny fanapahan-kevitra izay horaisin’ireo nidinika tany Iavoloha, dia tsy mamatotra ny Vondrona Parlemantera TIM sy ny antoko TIM iray manontolo». Nohamafisin’ireo Parlemantera ireo nanoloana ny olona an’arivony vory tao amin’ny Magro Behoririka io fanambarana io, mba tsy hampiroaroa saina azy ireo.

 
Nangonini Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT