«Samy mandrirotra amin’izay hitiavany azy ny eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ampiasain’ny sasany hitadiavana tombontsoa», hoy ny filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM, Zafilahy Stanilas.
Tsy marim-pototra, hoy ny Vondrona parlemantera sy ny «Collectif des Parlementaires» ny filazana fa 80 mahery ny Parlemantera TIM miara-dia amin-dRaharinaivo. «Nosoratana fahatany ny anaran’ireo olona ireo», hoy Randrianjatovo Henri, filoha lefitry ny «Collectif des Parlementaires» ary dia «misy koa halatra sonia», manginy fotsiny ny «tsy Parlemantera kanefa dia sorotana ho Parlemantera». Misy amin’ireo Parlemantera voasoratra anarana fa miara-dia amin-dRaharinaivo Andrianatoandro no tsy nandalo teto an-drenivohitra am-bolana maro kanefa dia voasoratra tany ny anaran’izy ireo. Rehefa nanontaniana tsirairay ka nanao karazana fanekena tamin’ny alalan’ny soratra maro sosona na ny SMS àry ireo Parlemantera, izany hoe Depiote sy Senatera dia 81 no nanamafy fa mbola miara-dia amin’i Marc Ravalomanana, filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara, ary manaiky fa ny satan’i Maputo ihany no vahaolana hiavoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao.
Araka ny fantatra dia halefa eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny anaran’ireo Parlemantera sy ny fanekena nataony. Momba izay fianakaviambe iraisam-pirenena izay ihany dia andrasan’ny Parlemantera TIM ny hilazan’ny SADC fa tsy vahaolana ho an’ny krizy ireny fehin-kevitra teny Ivato ireny satria tsy tenierana. Fanapahan-kevitra hentitrentitra kokoa, toy ny fanasaziana eo amin’ny sehatra diplomatika no tadiavina. «Raha tsy mbola tafaverna amin’ny ara-dalàna i Madagasikara dia tsy hijanona ny hetsika hataonay», hoy ireto Parlemantera ireto. Momba ny raharaha tokantranon’ny TIM indray moa dia nambaran’izy ireo fa miandry fiovan-drafitra izy ireo. Tsy maintsy mandalo amin’ny kongresy nasionaly anefa izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.