Politique

Parlemantera Miantso ireo filohan’ny ankolafy hitory an-dRajoelina


  • Alarobia 10 Martsa 2010

Manoloana ny fandavan’i Andry Rajoelina ny fampiharana ny satan’i Maputo dia heverin’ireo ankolafy telo fa tokony hoentina eo anivon’ny Tribonaly iraisam-pirenena ny ankolafy Rajoelina.

Manao antso avo amin’ireo filohan’ireo ankolafy telo izahay, Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert, hoy ny depiote Longin mba hitory an’i Andry Rajoelina eo anatrehan’ny iraisam-pirenena. Satria efa nanosihosy ny lalàna iraisam-pirenena. «Afa-baraka i Madagasikara, afa-baraka i Madagasikara», hoy ihany ity olom-boafidy ity avy any Beloha Androy ity. Nohamafisin’ny solontenan’ny MFM moa fa dia ny mpanongam-panjakana no voasazy. Fa tetsy an-danin’izany dia nasian’ny depiote TIM voafidy tao Arivonimamo, Rakotomanjato Rodin, teny ny raharaha ‘Savonnerie tropicale’. Nandefa taratasy tany amin’ny minisitry ny FAT misahana ny vola tokoa manko ity orinasa ity ny amin’ny tokony handrarana ny savony ‘citron plus’ avy any Morisy tsy hiditra eto Madagasikara.

Araka ny fanazavana ao anatin’ilay taratasy moa dia tsy afaka mitohy ny fanadihadiana tokony hifarimbonan’ny fanjakana roa tonta, dia i Madagasikara sy Maorisy satria tsy mankato ny fitondrana mijoro eto Madagasikara ry zareo Maorisiana. Karazan’ny matahotra fifaninanana ihany ny orinasa mpanao savony ity. Tsy vao izao moa no nanana olana tamin’ny citron plus ny nosy. Nambaran’ny depiote Rodin fa raha sahy hiatrika ny fanatontoloana ity orinasa dia tsy tokony hosakanana ny avy any ivelany, tokony hampiditra mpiasa ihany koa satria efa betsaka ny orinasa malagasy nopotehana sy norobaina, ary efa natao tsinontsinona ny fiainan’ny Malagasy.  

 Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT