Politique

Parlemantera Frantsay Tsy manao politika …hono !


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010

Nandao an’i Madagasikara ny faran’ny herinandro teo ireo parlemantera Frantsay notarihan’ny senatera Jean Faure. Nanamafy moa ity senatera ity fa tsy iraka avy amin’ny parlemanta na ny governemanta Frantsay mihitsy ry zareo ireto, fa tonga amin’ny anaran’ny karazana vondrona parlemantera amin’ny fifankatiavan’i Frantsa sy Madagasikara ao anatin’ireo antsoina hoe : «Amis de Madagascar» izy ireo.

Natsangana tany Frantsa io vondrona io, araka ny fanazavan’i Jean Faure sy ireo niara-dia taminy, noho ny fahatsapana fa misy fifandraisana ara-tantara lalina ny firenena roa tonta, ary tena ao am-pon’ny Frantsay i Madagasikara. Tsy tonga hanao politika izahay, ka hiandany amin’ny ankolafy izatsy, na iza roa, hoy ihany i Jean Faure, fa tonga kosa hijery ny zava-misy marina eto Madagasikara sy ny mety hahafahana miara-masa sy mifanampy. Ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta no tena anton-dian’ireto Parlemantera frantsay ireto, araka ny fanazavana ihany. Ankoatra ny fihaonana tamin’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina dia nihaona tamin’ny praiministra Camille Vital, sy mpanao politika maro, ary nifanakalo hevitra tamin’ny fiarahamonim-pirenena ihany koa ireto parlemantera frantsay ireto. Tsy dia naharesy lahatra firy ny maro anefa ny fanadiovan-tena nataon’ireto parlemantera frantsay ireto, satria efa mazava hatramin’ny herintaona fa manohana ary ao ambadiky ny HAT sy i Andry Rajoelina ny Frantsay.

Tsy kisendrasendra koa ny nahatongavan’izy ireo andro, vitsivitsy mialoha ny nahatongavan’i Joaquim Chissano, ary farany dia mpanao politika avy amina antoko politika ny parlemantera, ka sarotra ny hinoana fa tsy iraka politika no nataony teto. Mbola ao anatin’ny adivarotra politika goavana ny eto Madagasikara amin’izao fotoana ka samy mihetsiketsika ireo etamazaoro politika amin’ny fiatrehana izany ary samy manana ny paikadiny sy ny mpanohana azy. Ka raha ny fandalovan’ireto parlemantera Frantsay ireto aloha, dia hitan’ny maro fa mariky ny fanohanan’ny Frantsay hatrany an’i Andry Rajoelina sy ny HAT, ary karazana tetika handrebirebena ny sain’ny olona amin’ny lafiny sosialy sy fihavanana, ao anatin’izao sangodim-panina politika izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT