Politique

Parlemantera ACP-Vondrona Eoropeanina Mitaky ny hamoahana am-ponja ireo mpanao gazety


  • Alatsinainy 12 Jolay 2010

Naharitra roa andro ny fitsidihana nataon’ireo delegasiona, solontenan’ireo parlemantera avy amin’ny vondrona Afrika-Karaiba-Pasifika sy ny Vondrona Eoropeanina izay notarihan’ny filoha lefitra Odirile Mothale avy any Botswana.

Tao anatin’ireo roa andro ireo, ny sabotsy sy alahady dia nihaino sy nijery ny zava-misy eto amintsika ireto olom-boafidy ireto. Nihaona tamin’ireo ankolafy isan-tsokajiny ary afaka niresaka tamin’ireo gadra politika ihany koa. Rehefa avy nifampidinika sy nahita ary nandre ny zava-nisy izy ireo dia nilaza zavatra maromaro. Raha te hanangana ny firenena indray ny Malagasy dia mila fampihavanam-pirenena, famafan-keloka faobe. Tafiditra ao anatin’ny fampihavanam-pirenena ny famoahana ireo gadra politika rehetra tsy ankanavaka, ka anisan’izany ireo mpanao gazety. Milaza ho mandala ny demokrasia rahateo ireo eo amin’ny fitondrana ankehitriny ka tokony hanafaka ireo gadra politika, indrindra ireo mpanao gazety izay anisan’ny mariky ny fanajana ny demokrasia, hoy ireo Parlemantera vahiny. Mila miverina an-tanindrazana ihany koa ireo sesitany any ivelany, araka ny fanazavan’ireo Parlemantera ihany. Araka ny fantatra dia tsy manana safidy i Andry Rajoelina, hoy izy ireo fa tsy maintsy mamoaka ireo gadra politika ireo. Ny famoahana ireo mpanao gazety dia antoka iray ho an’ny famahana ny olana ara-politika eto Madagasikara ary koa antoka eo amin’ny fisian’ny fahalalahana eo amin’ny fanehoan-kevitra. Ny mpanao gazety mantsy araka ny voalazan’izy ireo no fanilo mpampita vaovao. Tonga teny Antanimora namantatra ny fepetra hihazonana any am-ponja moa ireto Parlemantera omaly.

Namangy manokana ireo mpanao gazetin’ny Radio Fahazavana voatana ao izy ireo. Nitsidika ny toerana misy an-dry Ratsimba Solomon (Lolot), Philémon Raveloarison, Randrianarijaona (Jaona Raoly), Tiana Maharavo, Andry Andrianasolo, Tsivoho Rakotoson, Jeannot, avy eo ny pastera Tiburce Soavinarivo noho izy tsy miaraka efitra amin’iretsy voalohany, toy izany koa i Josiane Ranaivo izay any amin’ny toerana itazonana ny vehivavy. Raha nifampidinika tamin’ireo mpiandry fonja izy ireo dia fantatra fa ny fitsarana rehetra dia ezahana vitaina mialoha ny volana novambra ho avy izao. Raha ny fahitan’ireto vahiny azy, dia tsy tomombana ny fonja eto Madagasikara satria tsy ara-dalàna ny sakafo, mbola mitambatra ny efa voasazy sy ny vao hotsaraina. Marina fa raha mitaha amin’ny any ivelany dia tsy ahitana herisetra ny eto Madagasikara saingy tsy ara-dalàna hoy ihany ireto vahiny ireto. Araka ny fantatra dia nandao an’i Madagasikara omaly ireto delegasiona izay nahitana an’i Kilotsi Mporogomyi avy any Tanzanie, Waven William avy any Seychelles nisolo tena ny ACP, Elie Hoarau sy Michèle Rivasi samy avy any Frantsa ary Joanna Senyszyn avy any Pologne, nisolo tena ny eoropeanina. Mialoha ny hihazoan’izy ireo an’i Seychelles dia handalo any Afrika Atsimo ny delegasiona hifampidinika amin’ny filoha Ravalomanana Marc.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT