Politique

Parlemantera ACP-UE Ho avy eto rahampitso


  • Zoma 09 Jolay 2010


Parlemantera 6, solontenan’ny Parlemantera avy amin’ny Afrika, Karaiba, ary Pasifika (ACP) sy ny Vondrona Eoropeanina no ho avy eto Madagasikara ato anatin’ny roa andro, dia rahampitso sabotsy sy ny alahady ho avy izao. Hizaha ny zava-misy eto amintsika ireo Parlemantera ireo, izay ahitana an’i Odirile Mothale avy any Botswana izay filoha mpiara-mitantana, Kilotsi Mporogomyi avy any Tanzanie ary Waven William avy any Seychelles hisolo tena ny ACP, ary Elie Hoarau sy Michèle Rivasi samy avy any Frantsa ary Joanna Senyszyn avy any Pologne, ireo no hisolo tena ny Eoropeanina. Nanaraka akaiky ny fandehanan-javatra rehetra teto amintsika ny Assemblée Paritaire ka dia nanapa-kevitra ny biraony handefa ity iraka ity hijery ny fivoaran’ny toe-draharaha sy ny zava-misy marina. Hihaona amin’ireo ankolafy rehetra ireto Parlemantera ireto na mpanao politika io na ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Fantatra ihany koa fa hitafa amin’ny mpanao gazety izy ireo ny harivan’ny sabotsy. Hijery ny fizotry ny tetikasa sasantsasany izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola ihany koa ireto depiote ireto ny alahady. Raha tsiahivina moa dia anisan’ireo nankato voalohany ny fanasaziana ireo mpanongam-panjakana sy ny fanasaziana an’i Madagasikara noho ny tsy fiverenana amin’ny ara-dalàna ity Vondrona Parlemantera ity.

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT