Politique

Parlemantan’ny FAT Tsy hipetra-potsiny ireo tsy nahazo seza


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010

Miteraka savorovoro eo amin’ny samy mpomba ny FAT ny fiovana tampoka tamin’ny lisitra ka nanendrena ireo mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) sy ny Kongresin’ny tetezamita (CT).

Velon-taraina mafy moa ireo antoko sasantsasany tao amin’ny ESCOPOL izay tsy nahazo seza, ary nampiantso mpanao gazety mihitsy nanambara ny alahelon’izy ireo noho izany nambarany fa hosoka izany. Atoa Raharijaona Pierre mpitarika ny Arema Matotra moa dia hita fa tena nalahelo mafy mihitsy, satria izy irery no tavela sy tsy tafiditra tao amin’ny CST tamin’ireo azo ambara fa efa mpanao politika zatr’ady teto amin’ny tanàna. Izy moa dia nanambara fa manana porofo fa tena nisy nanova ny lisitra avy ao amin’ny Escopol naterina teny Ambohitsorohitra, ary tena tsy araka ny nifanarahana mihitsy ny zava-mitranga. Noraisiny ho ohatra ny fepetra hanendrena ireo mpikamban ao amin’ny CST, izay tokony ho 40 taona miakatra, efa minisitra na olomboafidy teo aloha, izany hoe efa depiote na senatera. Misy olona tafiditra tao anaty lisitra, kanefa tsy mahafeno akory ireo fepetra ireo, araka ny filazan’i Pierre Raharijaona azy.

Manoloana izany kosa anefa dia mazava ny nambaran’i Elia Ravelomanantsoa mpikambana ao amin’ny CST sady mpitondra tenin’ny Escopol, fa tsy nisy mihitsy izany fanovana lisitra izany. 86 no tao anaty lisitra, araka ny fanazavany ka i Benjamina Ramanantsoa no nitondra ny lisitra nankeny Ambohitsorohitra. Nivoaka avy eo ny fanendrena tamin’ny fomba ofisialy. Nohamafisin’i Elia Ravelomanantsoa fa anjaran’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina no manendry ireo mpikambana ao amin’ny CST sy CT fa tsy anjaran’ny Escopol mihitsy. Tolo-kevitra no nalefa teny Ambohitsorohitra, ary tsy voatery ho eken’ny filohan’ny FAT avokoa ka hotendreny izay anarana rehetra tao anaty lisitra. Manaraka izany dia tsy ady seza no tanjona eto fa ny hikaroham-bahaolana miaraka hivoahana amin’ny krizy araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny Escopol ihany. Mbola tantara mitohy izany ity resaka fanendrena ny mpikambana ao amin’ny CST sy CT ity satria milaza ny tsy hipetra-potsiny ireo tsy nahazo seza sy nahatsiaro voafitaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT