Politique

Paolo Emilio Raholinarivo Nanatsikafona ny aferan’ny mpitondra fanjakana


  • Alakamisy 27 Aprily 2017

Ela ny ela fa misy olona tonga saina ihany ao anatin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina. Lohalaharana amin’izany Ingahy Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, mpanolotsain’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier.

 

 Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Telozoro ny tenany omaly nanatsikafona ny anaran’ireo olon’ny fitondrana matin-karena mpambotry vahoaka, anisan’ireny ny Lehiben’ny faritra Ihorombe, ny Solombavambahoaka, ny Ben’ny tanàna ary ny Fitsarana any an-toerana izay notsindriany manokana fa samy mpangalatra avokoa.  Sahin’ireo olona ireo no nilaza fa ara-dalàna ilay fitrandrahana tanterahin’ny orinasa Sinoa ao Ilakaka nefa dia  tena mifanohitra amin’izany ny zava-misy. Tsy maintsy hatsikafona ity raharaha ity satria efa tena diso mijaly loatra ny vahoaka Malagasy noho ny fitiavan-tenan’ny sasany. Ao Ihorombe no hatomboka ny fanadiovana an’i Madagasikara, hitohy any Ambilobe, Didy Ambatondrazaka,  Mananjary… raha mbola velon’aina, hoy izy. Tsy maintsy misy zavatra mitsangana eto mialoha ny hamonoan’ny sasany ahy. Niantso ny praiminisitra lehiben’ny Governemanta izy mba handray ny andraikiny. Hiala avy hatrany amin’ny maha mpanolotsain’ny praiministra ahy aho raha sanatria diso ny zavatra ambarako, hoy izy. Porofo marobe moa no nentiny teo anatrehan’ny mpanao gazety niaraka tamin’i Fernand Cello, mpanao gazetin’ny Radio Jupiter. Nambaran’ity farany fa efa notambazana 150 tapitrisa ariary izy hangina fa tsy nanaiky.  Ankoatra izay, ady aman’aina no nivoahany tao Mangatokana Andohanilakaka noho ny fandrahonana natao azy. Tafavoaka ihany anefa izy ary vonona ny hanambara ny marina hatramin’ny farany. Omaly hariva ihany dia tong any valin-kafatra avy amin’ireo tompon’andraikitra avy ao Ihorombe notarihan’ny lehiben’ny faritra Atoa Mosa Fernand sy ny ben’ny tanànan’Ilakaka Zidane ka nanambaran’izy ireo fa mandainga i Paolo Emilio Raholinarivo satria ara-dalàna ny fitrandrahana ataon’ny Sinoa ao Ilakaka ary izy ireo aza dia manampy ny kaominina amin’ny fananganana fotodrafitrasa toa ny sekoly sy toeram-pitsaboana ary nanome fiara 4x4 hanenjehana dahalo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT