Politique

“Paix des Braves” Miantso ny Ankolafy telo i Fetison Rakoto Andrianirina


  • Alarobia 03 Aogositra 2011

Tsy dingana politika fanampiny na koa vondrona hiarovana tombontsoa hafa ny “Paix des Braves”, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina.

 Ambarany fa fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena mahatsiaro fa mila mivoaka amin’izao krizy izao i Madagasikara, mahatsiaro koa fa mila fanavaozana ny repoblikantsika hahazoany miverina eo anivon’izao tontolo izao. Nandritry ny dinika fanomanana ny fandrafetana ilay Dina Repoblikana dia samy nahatsapa ny rehetra nivory, araka ny vaovao fa tsy maintsy ny dinika eo amin’ny samy Malagasy no ahitana ny lalana hivoahana amin’ny krizy, eo koa ny fampiharana ny tapaka tany Gaborone sy Sandton. Ny hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna no antony. Manoloana izany, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina dia tsy misy antony tsy tokony handraisan’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny dinika tany Gaborone, anisan’ireny ny Ankolafy telo, tsy hiditra amin’ity “Paix des Braves” ity. Andrasana, hoy izy, ny fandraisan’ny Ankolafy telo anjara. Raha ny tsikaritra tokoa aloha dia tsy nahitana solontenan’ny Ankolafy telo teny amin’ny Carlton nisian’ny fampiantsoana fihaonana voalohany nataon’i Fetison Rakoto Andrianirina ny sabotsy 30 jolay lasa teo.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT