Politique

Otrikafo “Tsy vahaolana intsony i Andry Rajoelina”


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010

Mirarakompana ny fanambarana avy amin’ny antoko politika, fikambanana, eny fa hatramin’ny olon-tsotra aza manoloana ny fikatsoan-draharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.

Ho an-dry Rajaonah Andrianjaka sy ny Otrikafo dia hentitra ny fanambarana navoakan’izy ireo ny sabotsy 24 aprily lasa teo, milaza fa “tsy i Andry Rajoelina no vahaolana hanatanteraka ny fanovana andrandrain’ny vahoaka Malagasy”. “Izy (Andry Rajoelina) aza no tena olana lehibe ho an’ity tanintsika ity. Tsy tafavoakany amin’ny krizy nampidirany azy i Madagasikara. Viravirain’ny firenena any ivelany, indrindra fa i Firantsa izy. Tena afa-baraka eo anatrehan’izao tontolo izao ny vahoaka sy ny firenena Malagasy”, hoy ihany ny fanambarana. “Olona tsy nahatafavoaka ny firenena tamin’ny kizo nampidirany azy nandritra ny herintaona mahery ve dia hahay hitondra Fanjakana aoriana ao ?”, hoy ry Rajaonah Andrianjaka nanontany. Mahitsy teny koa ny Otrikafo milaza fa “raha mbola i Andry Rajoelina koa no filohan’ny FAT dia tsy tafavoaka amin’ny kirizy i Madagasikara”. Ny loza mananontanona, hoy ity fikambanana politika ity, dia ny fikatsoan’ny fanovana tanteraka ary ny fiverenan’ireo mpitondra teo aloha sy ny mpomba azy indray. Izany hoe : hanao dia mianoatra taona maro indray isika. Ho azy ireo dia “tokana ny vahaolana ho an’ny tanindrazana sy ny vahoaka malagasy : tsy maintsy sakanana tsy handentika bebe kokoa ny firenena amin’ny kizo io lehilahy tsy mahavita azy io. Miankina amin’izany ny hoavin’i Madagasikara”.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT