Politique

Otrikafo Hilanja sorabaventy eny Anosy


  • Alarobia 29 Jona 2011


 Mihevitra ny hanao fihetsiketsehana hilanja sorabaventy ho fanoherana ny SADC eo anoloan’ny hotely Carlton Anosy ny Otrikafo, tarihin-dRajaonah Andrianjaka amin’ity anio ity. Amin’ity antoko ity dia mitsabaka loatra amin’ny raharaha tokantranon’ny Malagasy ny SADC, te handidy manapaka toy ny filazana fa mahazo mody tsy misy fepetra ireo mpitsoa-ponenana na nahavita heloka bevava aza, ka “tsy azo ekena izany”, hoy Rajaonah Andrianjaka. Telo taona misesy izao ny Otrikafo no manao hetsika toy izao, eo amin’io toerana io. Teo ny tamin’ny 06 oktobra 2009, nandritra ny fivoriana nataon’ny GIC teto, nisy koa tamin’ny 06 oktobra 2010 izay niarahan’ny Otrikafo, Monima, AKFM ary ny Manaovasoa, dia ity anio ity indray.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT