Mitohy hatrany ny ampamoaka mahakasika ilay raharaha Philippe Verdon izay vao mainka koa narahin’ny mpanara-baovao akaiky rehefa niditra an-tsehatra nanome ny heviny ny ministry ny polisy, Organčs Rakotomihantarizaka.
Raha tsiahivina dia nilaza io farany fa nandainga taminy ny Kaomisera Jean Brunel Razafindahofa, hany ka voatery nesorina tamin’ny asany. Niditra mivantana tamin’ny Viva omaly io Kaomiseran’ny PAF (polisy miaro ny sisin-tany) io ary nanazava ny zava-nitranga no sady nanitsy ny filazan’ny ministra lehibeny ihany koa. «Nisy ny baiko nomena ahy ny mba hampiditra an’i Philippe Verdon, ny 22 septambra lasa teo, toy ny mpandeha tsotra. Baiko avy amin’ny ministra Organès izany. Teny an-toerana mba hitsena an’i Phillipe Verdon i Monja Roindefo tamn’io fotoana io. Nanome soso-kevitra ny ministra aho ny mba hangalana fepetra toy ny fanasoniavan’io praiministra taloha io taratasy manamarina fa tompon’antoka amin’ny fidiran’i Philippe Verdon eto amintsika izy. Nanamafy ny baikony anefa ny ministra dia ny hampidirana io vazaha io amin’izao fotsiny, tsy hasiana resabe” raha araka ny fanazavan’ny Kaomisera Brunel. Rehefa niharatsy anefa ny toe-draharaha ary fantatra fa mpikarama an’ady i Philippe Verdon dia nolazaina amin’izay fa izaho no nanala ny anarany tao anatin’ny lisitra. “Mandainga i Organès ary sahy mijoro amin’izany aho. Im-betsaka aho no nampiantsoany tany amin’ny biraony ary marobe ihany koa ny antso an-tariby nataony tamiko ka namerimberenany ny mba tsy hitenenana ny anarany mihitsy amin’izay fanadihadiana rehetra hatao amiko”, hoy ihany ity kaomiseran’ny PAF ity.
Momba ity raharaha ity ihany dia niezaka ny nanadio ny tenany, nandritra ny fandaharana “Anao ny fitenenana”, ihany koa i Lalatiana Rakotondrazafy tao amin’ny Viva omaly ka nilaza amin’ny ambangovangony fa nampita ny vaovao nomen’ny Kaomisera Brunel fotsiny ihany izy. Tongany tao an-toerana, tao amin’ny onjam-peony, hatramin’io Kaomisera io aza mba ho fanamarinana an’izany. Raha jerena izany dia ambony kokoa ny valin-kafatr’izy roa ireto noho ny an’i Organès. Amin’ny lafiny ara-politika dia mipetraka ny fanontanian’ny mpanara-baovao hoe ny ministra Organès ve - izay efa mitsingilaila amin’izao fotoana satria mihamafy hatrany ny porofon’ny ankilany momba ity raharaha Verdon ity – no omen-tsiny ka mety hiala amin’ny toerany sa i Lalatiana izay efa zanaka an-tranon’ny tetezamita na dia efa fantatra aza ny vavabeny izay amin’ny lafiny iray dia mety amin’ny fitondrana ihany satria lasa hatahoran’ny manam-pahefana ? Anisan’ny asany rahateo ny fitorahana voninkazo ho an’izay olona hotazomina na koa ny fanaratsiana an-kitsirano mba hanamarinana ny fanalana olona ao anatin’ny fitondrana. Iza amin’ireo no homen-tsiny ? Miasa saina ny ao Ambohitsorohitra na dia mody mangina aza satria samy zanaka an-trano ity no miady...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.