Politique

Oniversiten’i Maninday Toliara Fito mianaka nataon’ny mpianatra takalon’aina


  • Zoma 29 Jolay 2011

Fialan’ny prezidan’ny oniversite, fampihenana ny saram-pisoratana anarana ary koa fanafoanana ny CODIS na «conseil de discipline».

 Ireo telo ireo no fitakian’ny mpianatry ny oniversiten’i Toliara ka nanaovan’izy ireo fihetsiketsehana. Tsy nionona tamin’ny fanidiana ny faritra fianarana toy ny mahazatra anefa izy ireo fa tonga hatramin’ny fampiasan-kery. Raha nandoro ny tranon’ny mpiambina ny oniversite izy ireo ka naka ny omby roa nompian’io farany, tamin’ny voalohandohan’ity herinandro ity, dia mainka koa nitombo ny herisetra taorian’izay. Tonga hatramin’ny fanaovana takalon’aina ny mpiasa sy ny zanaky ny mpiasa sasantsasany eo anivon’ny oniversite ny raharaha. Hatramin’ny fiafaran’ny tolakandro omaly alakamisy, ora nanoratanay, dia tafiakatra fito ny olona notanan’ireo mpianatra.

Anisan’izany Rtoa tompon’andraikitry ny fitantanana sy ny fitantanam-bola, mpiasan’ny oniversite roa, zaza telo zanaky ny lehiben’ny departemanta lalàna ao Maninday ary lehilahy iray hafa. Mbola misavorovoro tanteraka ny tany an-toerana omaly ary manahy ny mponin’i Toliara sao hivoatra ho lasa ady an-trano no hitranga noho ny fisian’ny mety ho mpanararaotra. Ny zavatra hita dia misy barazy eo anoloan’ny oniversite. Ny olana dia tsy tafavoaka tao anatin’ny oniversite ny mpampianatra mba ho fiarovana ny ainy, toraka izany koa ireo tavela taty ivelany, tsy afaka niditra tao anatiny, indrindra ireo izay mipetraka amin’ny «Cité des profs». Andrasana anio izay mety ho fivoaran’ny raharaha.

Samy

(encadré)

Oniversite telo no indray mihetsika dia Antananarivo, Toliara ary Antsiranana. Toa niara-nihetsika ny mpianatr’ireo oniversite telo ireo. Ny teto an-drenivohitra aloha dia nezahina novonoina faran’izay haingana ny afo amin’ny fampiantsoana ireo lohandohan’ny mpisorona amin’ireo mpianatra. Na izany aza anefa dia azo lazaina fa tsy mbola milamina tanteraka, raha oharina amin’ny barazy nipetraka teny Ankatso. Ny any Antsiranana indray dia ny fanomezana fe-potoana ny filohan’ny oniversite mba hamaha haingana ny olana momba ny LMD, na koa ny famadihana ny drafi-pampianarana ho manara-penitra iraisam-pirenena na LMD. Arahina akaiky ny valin’io fitakiana io satria nilaza ireo mpianatra fa tsy hisy fampianarana handeha intsony raha tsy mazava io fangatahana io. Ny any Toliara moa dia efa io voatantara etsy ambony io. Tsy voafehin’ny FAT ity lafiny fampianarana ambony ity ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT