Ratsy toerana dia ratsy toerana ny ministry ny FAT misahana ny fampianarana ambony. Ny zava-niseho teny Ankatso omaly dia nanery ny FAT hamaly ny fangatahan’ny sendikan’ireto mpampianatra mpikaroka sy ireo mpianatra.
Saika raikitra manko ny savorovoro teny Ankatso teny rehefa nifamaly ny andiana mpianatra 2 samihafa. Nilaza ho mpianatra eny ireto andiana tanora. Norovitin’izy ireo ny sorabaventy ary dia novohain’izy ireo an-kerisetra ny vavahady lehibe. Raha nanontanian’ireo mpianatra hafa manohana ny Seces anefa ny karatra momba ireo mpianatra ireo dia samy tsy nisy nanana izany ireto farany ary dia nody fanina ihany koa. Voamarina fa tanora tonga handrava fa tsy mpianatry ny oniversite velively ireo andiana tanora ireo. Isan’ny nisongadina omaly ny fangatahan’ireo mpianatra sy ireo mpampianatra eo anivon’ny Seces fanindroany ny fialan’ny ministry ny fampianarana ambony, Athanase Tongavelo.
Araka ny fantatra ary omaly dia tonga nifampidinika tamin’ny Seces ny ministra misahana ny tetibola, ny asam-panjakana ary ny fampianarana ambony, nidinika izay hamahana ity olan’ny oniversite ity. Tsy azo ekena ny fihetsika tahaka izao hoy ireo mpianatra manohana ny fitakian’ny Seces ary dia mbola nanao antso avo amin’ny ministry ny fampinarana ambaratonga ambony ny profesora Tongavelo Athanase moa izy ireo mba hanaja tena ka hiala dieny izao rehefa tsy mahavaha ny olana. Raha toa ka mahita mpampianatra hafa , mahavita ny vitan’ireo misy amin’izao fotoana Atoa minisitra dia tokony handefa izany tsy misy hatak’andro eny Ankatso, hoy ihany ireto mpianatra ireto.
Fa rehefa tsy mahita kosa anefa izy dia tsy tokony hampisavorovoro sy hanao ramatahora hoy ihany izy ireo. Manohana ny hetsiky ny mpampianatra izahay hoy ihany ireto mpianatra ireto satria mifameno aminay ry zareo, ka raha toa ka tsy tomombana tsara ny momba azy ireo dia ho tsizarizary ihany koa ny fampianarana anay. Na dia miezaka mamono afo aza anefa ny FAT dia fantatra fa hihamafy ny grevy eny Ankatso eny manomboka amin’ity anio ity, ary ny alarobia ho avy izao dia grevy faobe no hitranga eny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.