Politique

Onitiana Realy Miara-miasa amin’ny TIM


  • Sabotsy 13 Mey 2017

Olona 1 250 avy amin’ny fokontany 17 ao anatin’ny kaominina ambanivohitr’i Sabotsy Namehana no mahazo tombontsoa mivantana amin’ny alalan’ny hetsika tanamaro fanadiovana lakandrano mirefy 1,2 km.

 

Manondraka tanimbary 700 ha izy io ka tena mila fikarakarana sy fanadiovana satria tsentsin’ny fako sy ny fotaka. Izay ny asa ara-teknika fa nanana lanja ara-politika ihany koa ity hetsika teny Avaradrano ity satria fiaraha-miasa eo amin’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy sy ny depiote Gerry Randriambolaina izay voafidy tamin’ny anaran’ny Tiako i Madagasikara (TIM). Fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ve ato anatin’ny iray volan’ny asa sosialy ny fifanatonana eo amin’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy sy ny olom-boafidin’ny TIM sa efa drafitra efa vita mialoha ? Dimy andro moa no faharetan’ny asa izay nanomboka ny alakamisy teo. 5000 Ar isan’andro isan’olona no raisin’ireo mpiasa. Hahazo tombontsoa manokana amin’ny fahadiovan’ilay lakandrano ny fokontany Atsinanantsena, Andrefantsena, Tsarafara, Soaniadanana, Ambatofotsy, Antsahatsiresy,Beravina, Botona, Ambohidrano Andrefana, Antsofinondry, Ambodivoina, Namehana, Ambohinaorina, Amorondria, Manarintsoa, Ambohibary, Andidiana. Antenaina fa hampitombo ny vokatra izao asa izao ka hanala fahasahiranana ny tantsaha sy ny mponina eny amin’iny faritra iny. Fa nahazo ny anjarany avy amin’ny minisiteran’ny mponina  ihany koa ny fikambanam-behivavy eny Avaradrano dia ny zezika 150 kg sy ny milina fanjairana miisa 3 hahafahana miasa sy mampidi-bola. Nahazo tohana ihany koa moa ireo zokiolona.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT