Tsy ny fanovana anaran-drafitra no zava-dehibe sy hitondra fiovana fa ny votoatiny, raha nanontanianny mpanao gazety mikasika ilay 12 miliara ariary hofenoina ao anatinny kitapom-bolam-panjakana izay nantsoina hoe PACEM taloha ary novana SACEM ankehitriny ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky.
Ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka sy ny fampanantenana natao tamin’ny nandray fahefana, hoy izy, no tokony ho laharam-pahamehana. Aoka hanaja sy hampanaja ny lalàna ihany koa ny mpitondra satria ny ankoatra izay dia sarontava, hoy hatrany ny fanazavany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.