Politique

Omer Beriziky Naleony tany Morondava


  • Alarobia 12 Desambra 2012

Tsy mba anisan’ireo nanatrika ny lanonam-pitokanana ny Coliseum teny Antsonjombe omaly ny praiminisitra Omer Beriziky fa kosa nihazo an’i Morondava namerina ny dinan’ny Foara, hamerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana any Menabe ary koa niondrika am-panajana tamin’ny vatana mangatsiakan’ilay zandary GP2 lavon’ny balan’ny dahalo, nandritra ny fifanandrinana tany Esira ny herinandro lasa teo, no sady nampionona sy nankahery ny fianakavian’izy ireo ihany koa.

 Omaly moa no natao ny fandevenana ny nofo mangatsiakany tao amin’ny “cimétière”. Maro koa anefa no nihevitra fa na nisy na tsy nisy izao fahoriana nidona tamin’ny zandarimariam-pirenena izao, dia tsy maintsy nahita zavatra hafa namenoana ny fandaharam-potoany ingahy Beriziky fa tsy nanatrika mihitsy ny lanonan’i Andry Rajoelina teny Antsonjombe. Efa tena mazava be mantsy fa mangatsiaka ny fifandraisana amin’i Mahazoarivo sy Ambohitsorohitra. Im-betsaka no voadingana amin’ny resaka fanapahan-kevitra ny praiminisitra ary vao mainka nampiakatra ny maripana ny filazan’i Omer Beriziky fa tsy tokony ho anisan’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana ny filohan’ny tetezamita sy ireo filoha rehetra teo aloha, miampy ny tenany. Na dia efa nampoizina ihany aza izany firehan’ny praiminisitra izany dia tsy nahafaly loatra ny tao Ambohitsorohitra tao, ary toa vao miha aza nampitombo ny tsy fifampatokisana indray.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT