Politique

Omer Beriziky “Avereno amin’ny tompony ny lakile !”


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2016

Roa taona mahery, tsy hita izay tena zava-bitan’izao fitondrana mijoro izao, hoy ny praiminisitra teo aloha, Omer Beriziky,

raha naneho ny heviny tamin’ny haino aman-jery tonga teny Andrefanambohijanahary tamin’ny hetsiky ny Mitsangana ry Malagasy, ny sabotsy teo. Fotoana izao, hoy ny tenany, “tokony hahatsapana tena ka hamerenana amin’ny tompony ny lakile” amin’izay dia ny Vahoaka Malagasy rehefa tsy nahavita azy. Ny ambin’izao fe-potoam-piasan’ny fitondrana misy ankehitriny izao, hoy izy, dia tokony hanajan’ity fitondrana ity tena ka hametrahany fialana. Ny fianakavian’ireo mpitondra sy ny antoko HVM, hoy hatrany i Omer Beriziky, no toa voahasohaso sy mahazo tombony. Namela hafatra ho an’ireo mpitandro filaminana ihany koa moa ity praiminisitra teo aloha ity ary nanainga ireto farany mba hanaja ny fianianana nataony. Zanaky ny Malagasy ianareo, hoy ny tenany, ka « aoka tsy hanaiky hatao fitaovana politika » satria tsy amidy ary tsy atakalo ny tanindrazana.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT