Politique

Omer Beriziky Anaovan’ireo mpomba an-dRajoelina angaredona


  • Zoma 28 Desambra 2012

Tena lasa fahavalo politikan’ireo mpomba an-dRajoelina ka enjehiny amin’ny fomba rehetra ny praiminisitra Omer Beriziky amin’izao faran’ny taona izao.

 Tsy zakan’izy ireo mihitsy ny famborahan’ingahy praiminisitra fa tsy mazava ny loharanom-bola nananganan’ny Tetezamita ny hopitaly manara-penitra, ny Coliseum Antsonjombe ary ny maro hafa ka nitakiany fanazavana avy amin’Ambohitsorohitra. Eo ihany koa ny heviny momba ny «ni…ni». Samy nanangam-bovona nanakiana an’i Beriziky omaly ry Elisé Ratsiraka sy Maharante Jean de Dieu teny Antaninarenina ankilany raha i Naivo Raholdina kosa andaniny, teny Anosy. Ho an’ity farany, izay mpanorina ny FAFI V dia tsy nihambahamba nilaza fa ny praiminisitra mihitsy no mpamingana ny fitondrana.

Mahafantatra ny fiavian’ny vola nanamboarana ny hopitaly manara-penitra ny praiminisitra, hoy izy. Tsy vitan’izay fa tsy mandray ny andraikiny ity farany fa manilika amin’Ambohitsorohitra hatrany. «Tsy omena ny tambinkaraman’ny mpampianatra eny amin’ny oniversite ; tara foana koa ny karaman’ny mpiasa eny nefa tsy manao na inona na inona ny tenany fa tsy maintsy ny prezidansa hatrany no andrasana hamaha olana», hoy ity CST mpikambana ao amin’ny vovonana UDR-C ity. Tsy levon’ny vavoniny koa ny nanakanan’ny lehiben’ny governemanta ny fikasany hanolotra tolo-dalàna momba ny fanavaozana ny bokin-tany «noho izany tsy anatin’ny andraikitry ny tetezamita». Tantara mitohy ny azy ireto raha ny marina satria efa namoaka vavabe tamin’ny praiminisitra Beriziky Jean Omer ny CST Raholdina nandritra ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny CST farany teo. 

Handrava tondrozotra

Tsy nitsitsy fitenenana koa ry Elisé Ratsiraka sy Maharante Jean de Dieu nanakiana ny fihetsiky ny lehiben’i Mahazoarivo. Nolazain’izy ireo fa tsy mahay mankasitraka i Beriziky nefa notendren’ny filohan’ny tetezamita ho praiminisitra izy na dia ankolafy mpanohitra aza no nanolotra azy. Amin’izy ireo dia mahafeno ny fepetra rehetra ahafahany mirotsaka ho filoham-pirenena i Andry Rajoelina ka raisiny ho fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena ny fanakanana azy tsy hilatsaka amin’ny alalan’ny “ni…ni”. «Mampiantrano voay» moa ny fijerin’izy mirahalahy ireto ny fifandraisana misy eo amin’ny filoha sy ny praiminisitry ny FAT.

Ho an’ny mpandinika politika dia mivandravandra amin’ny fihetsik’ireto mpomba an-dRajoelina ireto sy ny fikarakarana manokana mba tsy hilazana fa fanambatambazana ny foloalindahy sy ireo “be sandry” ataon’i Andry Rajoelina fa te handrava ny tondrozotra ity farany ka hiverina amin’ny fitondrana taritokana efa nataon’ny FAT hatramin’ny 2009 indray. Ny Praiminisitra Beriziky no atao lasibatra nefa ilay fiaraha-mitantana ny tetezamita mihitsy no efa mandringa, mandeha ila hatrany ampiadohany tamin’ny novambra 2011.

Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT