Politique

Omer Beriziky « Aleo halalaka ny fanehoan-kevitra »


  • Zoma 21 Oktobra 2016

Tokony hanaiky sy hanaja ny fanehoan-kevitra malalaka ireo mpitondra eto amintsika, hoy ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Carlton izy omaly nandritra ny lanonana famoahana ireo andiany faha-12 avy ao amin’ny CEDS.

Tsy voatery ho mpanakorontana na mpanongam-panjakana izay rehetra maneho hevitra, hoy izy fa ny fepetra henjana apetraky ny fitondram-panjakana aza no mety mitarika ny savorovoro. Hita fa tena mitantana an-jambany ny firenena ny mpitondra antsika amin’izao fotoana. Tsy mety izany fa ilaina ny fifampiresahana, hoy hatrany i Omer Beriziky izay ankoatra ny maha mpanao politika sy mpampianatra azy moa dia diplaomaty ihany koa ary mahafantatra tsara ny resaka fifandraisana iraisam-pirenena.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT