Politique

Olona nitoraka ny fiaran’ny Filoha FAT Tsy nahalala ny fisian’izany ny mpiaro azy


  • Alatsinainy 25 Jolay 2011

Raharaha iray anisan’ny mbola mitana ny sain’ny maro ny nahafatesana raim-pianakaviana iray nampangaina ho nikasa hitoraka ny kortezy nitondra ny filohan’ny FAT tetsy Ankasina ny alin’ny alatsinainy 18 jolay 2011 teo.

 Tany amin’ireo miaramila mpiaro ny filohan’ny FAT avy hatrany no nalehan’ny eritreritry ny maro no nahavita ny habibiana. Mikasika izay indrindra dia nanazava tamin’ny fomba hentitra ny kolonely Ravelomihary Julien, Talen’ny fandraharahana ny fiarovana ny Filohan’ny FAT, fa “tsy nahalala velively fa nisy olona nikasa hitoraka ny fiaran’ny Filoha tamin’io alina io. Ny fiara rahateo, sy ireo rehetra nanara-dia azy, dia tsy mbola nandalo akory teo amin’ny toerana voatondro ho nisian’io tranga io tamin’ny ora nolazaina fa nitrangan’izany. Mazava tsy azo kianina ary fa tsy nisy nidiran’ny Fandraharahana ny Fiarovana ny Filoha velively ny mikasika io tranga io sy izay rehetra tohiny taty aoriana na ny fisamborana ilay olona sy ny fanadihadiana natao taminy izany na izay mikasika ny nahafatesany”.

Mpamily fiarakaretsaka monina eny Andohatapenaka ity nodimandry ny alin’ny alatsinainy 18 hifoha ny talata 19 jolay ity. Avy nametraka ny fiarany tao amin’ny “parking” 67ha avaratra izy, ary andalana hody no nodarohan’ny polisy ary maty, rehefa nahitana flesy tao am-paosiny, ka notondroina ho nitoraka ny fiaran’ny filohan’ny FAT tamin’io alina io. Nalevina omaly ny razana, namela mananontena sy kamboty roa.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT