Manoloana ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia mijoro ny fikambanana Olona Hasin’ny Tany (OHT) ary milaza fa handray andraikitra amin’ny fanavotana ny firenena.
Fikambanana efa mitsangana manerana ny nosy, nanomboka tamin’ny taona 2014 izy ity. Ny fitiavan-tanindrazana no mampivondrona ireo mpikambana. Mandinika ny fiainam-pirenena sy manolotra vahaolana ho an’ny tompon’andraikitra sy ny mpiantsehatra isan-tsokajiny ary manofana ny ho mpitondra rahampitso amin’ny soatoavina politika, hanaja ny moraly sy handray andraikitra ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena no fototry ny asan’ny fikambanana. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra sy ny mpiantsehatra amin’ny raharaham-pirenena mba tsy hisian’ny korontana mety hiteraka olana hanavesatra ny fahasahiranan’ny Vahoaka Malagasy ny Olona Hasin’ny Tany. Mijoro ihany koa ny OHT mba hamelona ny fanantenan’ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy fa tsy lany olomanga akory i Madagasikara fa mbola manana olona nanao velirano fa hanao ny ainy tsy ho zavatra hiarovana ny vahoaka malagasy sy ny voninahitr’i Madagasikara. Efa tena latsaka an-katerena loatra ny firenena noho ny politika maloto sy fisian’ireo mpanao politika mersenera ka mijoro hitondra fanavaozana ny OHT izay manomboka mametraka ny rafitra hiasany ankehitriny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.