Politique

Olivier Rakotovazaha Voaporofo izao ireo niara-niasa tamin’ireo mpanongam-panjakana


  • Talata 06 Jolay 2010

Manoloana ny fametraham-pialan’ny tompon’andraikitra roalahy teo anivon’ny governemanta frantsay, anisan’ireny ingahy Joyandet, dia nanambara ny sekretera jeneralin’ny MFM, Olivier Rakotovazaha fa voaporofo izao, hoe karazan’olona toy ny ahoana no niara-niasa amin’ireo mpanongam-panjakana eto Madagasikara.

Nilaza ihany koa ingahy Rakotovazaha Olivier fa misy andian’olona, dia ireo teratany vahiny efa ela nitoerana teto amintsika no mikaroka ny fomba rehetra hampihitsoka ny firenena handeha amin’ny fahotana mahafaty. Ao anatin’izany, araka ny vaovao, ny hetsika omanin’izy ireo amin’ny fandraisana ireo iraka vahiny toy ny lehiben’ny mpanelanelana. Tsy azo ekena ny famoronana «disadisa ara-diplomatika», hoy i Olivier Rakotovazaha. Notononiny teny an-kianjan’i Behoririka mihitsy moa ny anaran’ireo vahiny ireo. Tsy maintsy miditra amin’ny fampihavanam-pirenena isika, hoy izy, raha tsy izany, sarotra ny hivoahantsika amin’ny krizy. Ny dinika santatra kasain’ny FAT hatao ihany koa, araka ny fanazavana dia tsy hahasolo tena ny Malagasy mihitsy raha toa ka tsy handray anjara amin’izany dinika zany ny ankolafy telo, dia ny ankolafy, Zafy Albert, Ratsiraka ary Ravalomanana. Vao mainka hampiditra ny Malagasy sy ny firenena amin’ny kizo ny fisisihan’ireo mitonona ho fiarahamonim-pirenena hanao izany dinika santatra tsy handraisan’ny rehetra anjara izany, hoy ihany izy.     

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT