Politique

Olivier Rakotovazaha “Tsy olona no hidirana antoko politika fa ny foto-kevitra”


  • Alakamisy 02 Septambra 2010

Tsy ho tafavoaka amin’izao krizy izao i Madagasikara raha tsy ny rehetra no miara-misalahy, ao anatin’izany indrindra indrindra ny Ankolafy Telo, hoy ny Tanora MFM na ny TMFM.

Tamin’ny fihaonan-dRakotovazaha Olivier, Sekretera jeneralin’ny antoko MFM tamin’ireo tanora no nanazavany momba ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny sy ny momba ny atao hoe ‘libéralisme’, adika tsotra hoe ‘fanalalahana’, fanalalahana izay antom-pisian’ny olombelona. “Ny olona amin’ny maha olona azy no ivon’ny fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra”, hoy ingahy Rakotovazaha Olivier. Malalaka maneho hevitra, malalaka mihary, malalaka amin’ny safidiny rehetra na finoana io na antoko. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MFM fa tokony hiditra antoko ny olom-pirenena. «Tsy olona anefa no hidirana antoko fa foto-kevitra», hoy izy. Ny olona manko mandalo ihany fa ny hevitra no mitoetra. Tetsy andanin’izany, ho an’ny TMFM manokana, dia tsy manome lanja ireny didim-pitsarana navoaka momba ny raharaha 7 febroary ireny. Tsy manana ny fahefana hanao ireny manko io ambaratongam-pitsarana io, araka ny fanazavana ihany. 

Nangonin’i Soa  
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT