11 volana no tokony hanomanan’i Madagasikara fifidianana, araka ny fanadihadiana nataon’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana na ny Pnud.
Noho izany, raha hikiry hanao fifidianana amin’izao ny FAT dia mazava ho azy, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko MFM fa ho fifidianana peta-toko toy ny tamin’ny 17 novambra 2010 no hitranga. Vokany, hitarika ny firenena any amin’ny krizy ny fizirizirian’ny FAT hanao izany fifidianana izany. Raha ny fanazavana ihany dia tsy latsaky ny 140 tapitrisa dolara any ho any vao mahavita fifidianana kanefa isika tsy mbola manana izany satria na ireo mpamatsy vola aza tsy misy manome tantsoroka ara-bola ho an’ny fifidianana karakarain’ny FAT. Ho an’i Olivier Rakotovazaha dia fifidianana karakarain’ny faraha-mitantana ahian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany no vahaolana. Ankoatra izay dia nambaran’ity mpanao politika ity fa tokony ho anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fanitsiana ilay tondrozotra ny fahazoan’ny ankolafy Ravalomanana ny primatiora raha toa ka tazonina fa i Andry Rajoelina no ho filohan’ny tetezamita, hoy izy. Iaraha-mahafantatra mantsy, hoy ihany i Olivier Rakotovazaha fa Atoa Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina no tena nifandona.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.