Politique

Olivier Rakotovazaha Avoahy aloha ny gadra politika !


  • Zoma 09 Jolay 2010

«Miandry ny fifidianana fotsiny ny vahoaka, ary vonona haneho ny safidiny », hoy Ratalata Georges, solombavambahoakan’Ambalavao. Mahatsiaro mangirifiry loatra ny vahoaka taorian’ny fanonganam-panjakana niseho teto, hoy izy.

Manjaka ny tsy fandriampahalemana any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Ary ny tena zava-doza, araka ny vaovao, dia ireo mpitandro ny filaminana, hitsikitsika nivavahana indray no lasa mpandroba sy dahalo mandroaka ny omby. Vokany, dia tsy matoky intsony ireo mpitandro ny filaminana ny vahoaka ka manarama ireo atao hoe ‘jama’, izany hoe karazan’olona mpitana ody gasy tsy matin’ny basy na matahotra tsindron’antsy. An-tapitrisany no anaraman’ny olona azy ireo hiaro ny ombiny sy ny fananany. Fantatra ihany koa, araka ny fanazavana fa aorian’ny fandalovan’ireo vahiny eto amintsika, toa ireo delegasiona avy amin’ny Parlemantera eoropeanina sy ny filoha Chissano dia hanao fitetezam-paritra amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny ny ankolafy 3. Efa an-dalam-panomanana izany izy ireo ankehitriny.

Mila mijoro isika, hoy i Olivier Rakotovazaha, Sekretera jeneralin’ny Mfm. “Samia maranitra amin’ny tandrify azy, na eny anivon’ny fokontany, na firaisana na koa vondrona sy fikambanana isan-tsokajiny ary ny ankolafy misy azy avy”. Resy i Frantsa ankehitriny, hoy izy, satria isika miroso amin’ny fanatanterahana ny fametrahana ny ara-dalàna. Ankoatra izay, dia nambaran’ity mpitarika politika fa mampanahy azy ny famahana olona eo amin’ny samy Malagasy. Tsy ampianarina izany isika, hoy izy satria efa nisy ilay nantsoina hoe ‘Convention du 31 octobre’. Ny mampiahiahy dia anisan’ireo olona ao anatin’ny fiarahamonim-pirenena ory hava-manana nivory teny amin’ny La Rotonde ny 17 desambra 2008 ireo mitonona ho fiarahamonim-pirenena mikarakara izany dinika izany. Efa voasoratra ao amin’ny satan’i Maputo sy Addis Abeba, hoy izy ny fandaminana ka izany no tokony hampiarina. Momba ny dinika santatra sy ny fampihavanana, dia nilaza i Olivier Rakotovazaha fa tsy maintsy mivoaka aloha ireo gadra politika, ary tsy maintsy tafaverina eto ireo mbola any am-pita, toa ny filoha Ravalomanana sy Ratsiraka. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT