Tokony homena alalana hankalaza ny faha-15 taonany eny amin’ny «Coliseum» Antsonjombe ny antoko Tiako I Madagasikara.
Tsy hampilamina ny fiarahamonina Malagasy mantsy ny fananganana ady etsy sy eroa amin’izao ankatoky ny fampijoroana ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy) izao, hoy ny loholona Olivier Rakotovazaha. Voamarin’ny tantaran’i Madagasikara rahateo fa mampitombo hery sy mampanome vahana ny tanjaky ny fanoherana ny endrika sakantsakana eo amin’ny tontolo politika. Nampiongana ireo mpitondra nifandimby teo amin’ny fitantanana ny firenena hatrany moa io fihetsika miaro tahotry ny fanjakana io, araka ny fanazavany. Lesona lehibe napetraky ny profesora Zafy Albert, filoham-pirenena voafidim-bahoaka nandritra ny Repoblika faha-III tapany voalohany hatreto ny famelana malalaka ny fanehoan-kevitra teto Madagasikara. Tsy ireo hetsika natao teny an-dalambe velively no nampiala azy teo amin’ny fitondrana fa fampihatoan’ny andrimpanjakana mpanao lalàna na «empêchement», araka ny fampahatsiahivan’ny sekretera jeneralin’ny MFM (Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara).
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.