Politique

Olivier Rakotovazaha 29 martsa : nandresy ny Fitiavan-tanindrazana


  • Alarobia 31 Martsa 2010

Herintaona mahery izao no nitoloman’ireo vahoaka mitaky ny hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna.

Teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo no niandohan’ny tena hetsika, ny 21 martsa 2009, nanoheran’izy ireo ny fakana fahefana amin-kery nataon’i Andry Rajoelina sy ny tariny. Avy eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo dia nizotra teny amin’ny kianjan’ny Magro na ny kianjan’ny ara-dalàna. Tany am-piandohana dia ny ankolafy Ravalomanana na ny legalista no nitarika ny tolom-panafahana. Taorian’ny fanaovan-tsonia ireo fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba, nifanarahan’ny ankolafy efatra, Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy Albert ary Rajoelina kanefa tsy nankatoavin’ity farany dia nivondrona ireo firehana telo voalohany ka lasa hoe ankolafy Madagasikara. Ankoatra ny teny amin’ny kianjan’ny ara-dalàna dia efa nidina teny Anosy, nantsoin’izy ireo ho kianjan’ny Fampihavanana ireo ankolafy telo, ny tapatapaky ny volana janoary.

Tamin’ireo toerana rehetra ireo dia nisy hatrany ny famoretana. Tapa-bolana katroka anio dia nidina an-dalambe, eny Analakely, ny vahoaka haneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Manohitra hatrany ny fakana fahefana tamin-kery. Misy hatrany ny famoretana azy ireo saingy tsy vato misakana ho an’ireo vahoaka tonga isan’andro eny Analakely sy ny manodidina. Hitohy hatrany ny hetsika, hoy i Olivier Rakotovazaha. Araka ny fanazavany dia miainga eny amin’ny fokontany hatrany ny toromarika sy ny hetsika rehetra. Efa tafajoro eny anivon’ireo fokontany 192 eto an-drenivohitra sy ny fokontany maro avy amin’ny distrika manodidina ny renivohitra ny komity mitaky ny fampanjariana an’i Maputo sy Addis Abeba hanavotana ny fiainam-bahoaka.

Omaly moa dia mbola nisy ny grenady nipoaka teny Analakely teny. Raha hiverenana ny fanamarihana ny 29 martsa izay nahitana famoretana ihany koa dia mibaribary, hoy ny sekretera jeneralin’ny MFM fa tsy ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana ny fihetsika nataon’ny FAT. “Tsy nieritreritra fiandrianam-pirenena izany izy ireo”, hoy ihany izy raha nanamarika momba ny zava-nitranga tetsy Analakely ny alatsinainy lasa teo. Ny momba ny zava-nisy teny Ambohijatovo indray dia nibaribary, hoy Rakotovazaha Olivier, fa tsy marina ny filazana fa mpomba ny FAT avokoa ny vahoaka. Mibaribary, hoy izy, fa dia miankin-doha amin’ny Frantsay izay nailiky ny Malagasy teto ny FAT. Ny vahoaka kosa anefa, nijoro niaro ny fitiavan-tanindrazana. Raha ireny zavatra nitranga ireny, hoy ihany Rakotovazaha Olivier dia nandresy ny fitiavan-tanindrazana.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT