Politique

Olga Ramalason Ben’ny tanŕna manahirana ny FAT


  • Zoma 24 Septambra 2010

Ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe indray ny mpisafo sy mpanara-maso ny asam-panjakana, mijery sy manadihady ny fitantanan-dRtoa Olga Ramalason sy ny asa isaky ny servisy misy ao.

Fanimbalony izao no nandefasana mpanara-maso toy izao tao amin’ity Kaominina ity tao anatin’izay 18 volana nitondran’ny FAT izay. Nanomboka ny alatsinainy teo ary mbola mitohy mandraka ankehitriny ny fanimbalony. Zavatra tsy hita any amin’ny kaominina hafa, toa an’Antananarivo, ohatra. Miharihary amin’izao fa dia manao izay fomba rehetra hitsongolohana ny fitantanan-dRtoa Olga Ramalason, Ben’ny tanàna, ny FAT, hahafahana manilika mora ity olom-boafidy ity raha misy fandikan-dalàna na misy dosie tsy mazava. Manaporofo izany ny loharanom-baovao akaiky ireo mpanao fisafoana ny asam-panjakana izay milaza fa ny Fiadidiana ny FAT mihitsy no naniraka ity mpanao fisafoana vaovao ity, raha iraka avy amin’ireo ministera mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, ankoatra ny avy eny amin’ny Faritra Vakinankaratra sy ny Distrikan’Antsirabe I no nanao izany teo aloha.

Ben’ny tanàna manahirana ny FAT i Olga Ramalason. Ity farany koa tsy manaiky lembenana, tsy hoe mifikitra amin’ny seza, fa misy ny lalàna ary manaja izany izy. Izy rahateo olom-boafidy ary fanomezam-pahefana avy amin’ny vahoaka sy ho fiarovana ny tombontsoan’ity farany, no tsy mamela azy hilefitra manoloana ny antsojay amin’ny endriny samihafa atao amin’ny Kaominina tantanany sy ny mpiara-miasa aminy. Efa nisy mantsy fotoana nanerena azy hametra-pialana saingy nandà izy. Nisy koa ny fandrahonana sy fikasana haka an-keriny azy, fa tsy nahomby izany satria niatrana ny vahoakan’Antsirabe. Dia izao nandefasana mpisafo raharaha izao indray. Amin’izao andiany fahavalo izao dia izany R.S izany ity olona nalefa hamita iraka ao Antsirabe. Tamin’ny zoma, heriny androany, no efa tonga tao Antsirabe izy saingy mbola tany amin’ny Faritra tany aloha (?), mety nanangom-baovao, ka ny alatsinainy 20 septambra teo vao nitontona tao amin’ny Kaominina. Nanokafan’ity farany birao manokana ao mihitsy moa izy, hanaporofoan’ny mpitantana ao fa tsy izy ireo velively no halailay fonosana, na koa hanafinafin-dresaka ao fa dia mangarahara ny asa aman-draharaha. Hita ho sadaikatra ihany ity iraky ny FAT eo anatrehan’izany.

Na izany aza dia mitety servisy izy, ary tonga hatrany amin’ny mpanolotsain’ny tanàna koa aza manadihady ireo fitanana an-tsoratra momba ireo fanapahana rehetra noraisina teo anivon’ny Filankevitry ny tanàna. Raha ny heno dia any amin’ny resaka fako no toa nanaovany fanamarihana. Resaka fahadiovana izay olana iraisan’ny tanàn-dehibe maro manerana ny Nosy, toy ny hita eto an-drenivohitra, noho ny krizy. Mazava loatra fa amin’ny vanimpotoanan’ny krizy izany dia ny olona aloha no laharam-pahamehana ho an’ny mpitantana ny tanàna vao ny fako izany. Na izany aza dia mitady hirika mafy hanalana amin’ny toerany ity Ben’ny tanàna ity ny FAT. Ary mety ho ity tranga ao Antsirabe ity aza no nahatonga ny FAT hanapa-kevitra ny handroso tampotampoka teo ny fifidianana Ben’ny tanàna, voalaza fa hatao amin’ny 20 desambra 2010, rehefa nanohitra ny fikasan’ireo mpizaikan’ny fihaonambem-pirenena teny Ivato mitaky ny hanoloana tsotra izao ny Ben’ny tanàna rehetra manerana ny Nosy ho PDS ny vahoaka eny anivon’ny Kaominina sy ny mpanao politika amin’ny ankapobeny. Ho hita eo ihany moa ny tohin’ny raharaha.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT