Politique

Ny Rado Rafalimanana Nanakiana mafy ny mpitondra


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Feno ihany ny fo ! Ny tenako indray no nomen’ny “Foundation Sheikh Mohammed Bin Rashid Al Makthoum Humanitarian & Charity” fankasitrahana noho ny fitsonjovana ny Malagasy, kanefa izy ireo no nanolotra sy mbola hanohana ireo antso ataontsika, hoy i Ny Rado Rafalimanana tao amin’ny tambajotram-pifandraisana “facebook” omaly.

 Nisy mantsy ny fanampiana milanja 100 taonina nomen’ny mpanjakan’i Dubai noho ny fiaraha-miasa eo aminy sy ity mpandraharaha Malagasy ity, izay tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny 12 martsa teo. Naneho fisaorana manokana ny mpanjakan’i Dubai ny tenany tamin’ny fanampiana mba hitsinjovana ireo traboina. Naneho ny alahelony kosa izy manoloana ny fihetsiky ny fanjakana ka nilaza fa mampanongo tena ireo Mpiadidy Mahefa Malagasy tsy mba naharenesana feo fisaorana farafaharatsiny, na dia fahalalam-pomba ihany aza.  Nametra-panontaniana mihitsy ity mpandraharaha ity hoe asa raha ilay hoe ny Firenena mikambana no nasaina nizara azy no mahatonga azy ireo tsy maneho fisaorana ? Matoa izay ny fanapahan-kevitra dia ilay fitantanana ireo fanampiana sy ny fizarana ifotony no misy olana eo anivon’ ny BNGR, hoy izy. Be loatra ireo manampahefana manao fanararaotana any ambany ravinahitra any ka lasa hataon-dry zareo resaka takalon’aina amin’ny politika. Ny Atao hoe “vonjy aina” dia tolotra mivantana amin’ireo traboina sahirana. Aza adino fa tsy mba miresaka finoana izahay rehefa mamonjy aina. Silamo izy ary izaho miara-miasa aminy dia kristianina. Midika izany fa ny maha olona aloha vao ny hafa, hoy i Ny Rado Rafalimanana namarana ny hafatra sy ny fanehoan-keviny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT