Nidina nitsapa rano tany Sofia ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Te hahafantatra aho, hoy izy tao Antsohihy ny sabotsy 10 septambra teo,
mbola ao ve ireo vahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra 2013 ? Nisy zavatra nampanahy ny filoha angaha tamin’io no nametraka fanontaniana izy ? Any amin’ny raharaha Lylison avy hatrany no nalehan’ny sain’ny maro. Zanak’i Sofia ity farany, manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary Loholon’i Madagasikara, voafidy tamin’ny 29 desambra 2015. Ataon’ny fitondrana hazalambo ity Loholona ity hatramin’ny volana mey, taorian’ny nanaovany antso hanao tanàna maty teto Antananarivo. Mandrak’ity ny androany moa tsy niseho masoandro ny kolonely Lylison René de Rolland. Banga efa ho efa-bolana izao ny toerany ao amin’ny Antenimierandoholona. Nanahy ve ny filoha sao hiantraika amin’ny fitiavana na fankahalan’ny vahoaka any Sofia azy io tranga io, ka te hamantatra an’izay no nahatongavany tany Antsohihy io sabotsy io ?
Nitaona olona avy any amin’ireo Distrika mandrafitra ny faritra hanotrona azy ny solontenam-panjakana ao an-toerana, mba hahafalifaly ny filoha tamin’ny fahatongavany sy tsy handiso fanantenana azy. Fanombohan’ny fizarana « kits scolaires » no nambara fa anton-dia tany Antsohihy tamin’io, ka nomena anjara 350.000 amin’ireo 4,5 tapitrisa nohafarana ho an’ity taom-pianarana 2016-2017 ity ny Faritra Sofia. Fizarana efa nisy natao tany Faratsiho sy Miarinarivo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.