Politique

Ny CENI sy ny fifidianana Mampiahiahy ny mpitsara sy ny fiarahamonim-pirenena


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010

Resabe teo amin’ireo solontenan’ny mpitsara sy ny fiarahamonim-pirenena, sy ireo tonga mba niatrika ny fanazavana, ary nampiahiahy azy ireo ny filazana fa tsy momba ny atsy na ny aroa ireto mpikamban’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI.

Raha ny fitondran’izy mianadahy “commissaire électoral”, Raveloarison Heritiana sy Raharinivo Maria Nirina, tonga tao Toamasina ny resaka mantsy dia toa mpitondra tenin’ny FAT izy ireo.

Nambaran-dRaveloarison fa «ampiana tafika tsy ampiana tafika isika Malagasy amin’ny fikarakarana ny fifidianana, ka manome vola tsara tsy manome tsara ny mpamatsy vola sy firenena ivelany, manana ahafahana manao sy manatontosa ny fifidianana eto isika». Etsy andaniny indray anefa dia milaza izy fa «tsy misy ny vola eo anivon’ny CENI, ka voatery izay kely eo am-pelatanana no tsinjaraina sady hanomanana fifidianana no hanampiana ny rantsa-mangaikany ary hampandehanan-draharaha. Ka na tsizarizary aza ny fomba enti-miasa dia zava-dehibe ny finiavana sy ny firosoana hanao ny fifidianana, tsy misy rahateo ny ‘tanteraka’ fa ny fifanarahan’ny samy Malagasy no zava-dehibe».
 
Ankoatra izay, vao mainka lasa nametraka ahiahy tamin’ireto fiarahamonim-pirenena sy ny solontenan’ireo mpitsara eo anivon’ny CER sy ny CED, ny filazan-dRaveloarison fa «anjaranareo CER sy ny CED ny manazava amin’ny mpifidy sy ny vahoaka malagasy ny lalampanorenana vaovao, ka atao amin’izany ny fampitahana ny lalampanorenana teo aloha sy ny vaovao. Hazavaina ny mahatsara ilay vaovao sy ny naharatsy ilay mbola iainana ankehitriny, ary ny antony nanaovana ny fanovana ny lalàmpanorenana». Hentitra noho izany ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo solontenan’ny mpitsara ireo nilaza fa «raha fampielezan-kevitra hampadaniana ny ‘Eny’ no tianareo CENI hatao, dia tsory avy hatrany. Ny fanaovana izany fanazavana lalàmpanorenena izany, ny fidirana amin’ny fampitahana ny lalàmpanorenana mbola iainana izao sy ny vaovao ary ny fanazavana ny mahatsara ity vaovao ihany koa dia fampielezan-kevitra avy hatrany. Midika izany fa mpitondra tenin’ny fitondrana hampandany ny ‘Eny’ fotsiny isika CER sy CED fa tsy mpanara-maso ny fifidianana atao araka ny lalàna manan-kery». Misy fiara vaventy feno “T-shirt” sy dikan’ny lalàmpanorenana ary kojakojam-panentanana samihafa, ho tonga ao Toamasina manomboka anio, ka nambaran’ny lehiben’ny CER sy ny CED eo anivon’ny faritra Atsinanana, fa anjaran’ireto mpikambana ireto no hizara izany eny amin’ny vahoaka. Adihevitra anefa ny hoe manan-jo amin’izany ve ny CER sy ny CED ? Ny lalàm-pifidianana rahateo mandrara ny fizarana fanomezana izay mety hanova ny hevitry ny mpifidy. Ho avy anefa ireo fitaovana ireo ka ho hita eo.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT