Ny antoko TGV mihitsy no tena manipy hoditr’akondro amin’ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina, araka ny nambaran’ireo mpanao gazety manao fanadihadiana isa-maraina ao amin’ny Radio Viva, omaly.
Araka ny voalaza tao dia ny avy amin’ny TGV tarihan-dramatoa Lanto Rakotomavo no nihavian’ilay hevitra hanesorana sy hanoloana ho Pds ny lehiben’ny Faritra sy ny Ben’ny tanàna rehetra manerana an’i Madagasikara. Zavatra tena tsy mitombina mihitsy izany ary hanakorontana tanteraka ny fitondrana tetezamita, araka ny fanazavana tao amin’ity onjampeo ity. Nanomboka teo dia namaky bantsilana ny tsy mety sy ny fanaparam-pahefana ataon’ireo mpitarika ny TGV any amin’ny faritra rehetra any ireo mpanao gazety ary tsy nitsitsy fitenenana tahaka ny fanaony isan’andro fa dia nanipika mazava fa olona mpanararaotra sy mpijapy fotsiny ary tsy mahay izay atsimo sy avaratra amin’ny resaka politika ireo milaza azy ho lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny TGV ; tsy manao afa-tsy ny manindry bokotra sy mametraka ny olony amin’ireo sampan-draharaham-panjakana any amin’ny faritra ary sahy mihitsy mibaiko ireo tompon’andraikitra ambony tahaka ny lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny distrika ary ny Ben’ny tanàna ireo mpitarika ny antoko TGV.
Manampy izay dia mampiasa ny anaran’ny filohan’ny FAT amin’ny fanaparam-pahefana ataony ny TGV, ka noho izany rehetra izany dia voahoso-potaka mihitsy any amin’ny faritra maro i Andry Rajoelina, ary leo sy tofoka amin’izany TGV izany ny olona. Rehefa natao anefa ny fandinihana dia antoko marefo sy tsy manana fototra matanjaka ny TGV, araka ilay fanadihadiana tao amin’ilay fandaharana alefan’ny radio Viva, omaly maraina ihany. Azo hanaporofoana izany ny fahavitsian’ny olona manara-dia azy ao Antsirabe sy ny tsy nahavitan’ity antoko ity nanala ny Ben’ny tanàna Rtoa Olga Ramalason hatramin’izao na dia niasa mafy tamin’izany aza izy ireo. Nametra-panontaniana moa ireto mpanao gazety ireto hoe : amin’ny fomba ahoana moa no hahafehezana’ny TGV ireo Ben’ny tanàna 1500 mahery raha esorina avokoa izy ireo, moa va tsy hivadika amin’ny fitondrana tanteraka ireo ka hamparefo tanteraka ny tetezamita.
Raha izay rehetra izay no jerena dia mangozohozo tanteraka ankehitriny ny sezan’i Andry Rajoelina satria miady an-trano ary tsy mieritreritra afa-tsy ny hahazo toerana ny antoko manohana azy. Mifangaro amin’ireto farany ny hoe : fitantanan-draharaham-panjakana sy ny raharahan’antoko ka tsy mahagaga izy ireo raha manao ho fanampin-tsakafo isan’andro ny fanaparam-pahefana. Dia atao ahoana fa ny teo ihany izany no miverina, ary tena ho sarotra ho an’i Andry Rajoelina ny hanana fototra matanjaka raha ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany izy. Teo aloha mantsy dia nambara fa mbola tia an’i Marc Ravalomanana ihany ny vahoaka saingy leo tanteraka tamin’ny nataon’ny Tiako i Madagasikara. Ny maha samihafa ireo tranga roa ireo anefa dia enin-taona mahery no nitondran’i Marc Ravalomanana sy ny TIM ny firenena, fa vao herintaona sy tapany monja no nisahanan’i Andry Rajoelina sy ny TGV izany andraikitra izany. Dia izay marina angamba ilay hoe haingam-pandeha ny TGV satria vitany tao anatin’ny 18 volana ny nataon’ny olona tao anatin’ny enin-taona !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.