Politique

Noterena hametra-pialana Ho kandida Ben’ny tanŕna ao Morondava i Solo Fanoina


  • Talata 12 Oktobra 2010

Omaly alatsinainy 11 oktobra 2010 vao niroso tamin’ny famindram-pahefana ny Ben’ny tanŕnan’i Morondava teo aloha, Solo Fanoina André sy ny filohan’ny delegasiona vaovao, Rakoto Deux Richard.

Noterena hametra-pialana ny tompon-toerana rehefa nahatsikaritra fahabangana ara-bola tsy voazava ny ira-panjakana nanamarina ny fitantanany. Ny tolakandron’ny zoma 17 septambra 2010 no nametraka ny taratasy fametraham-pialany ingahy Ben’ny tanàna. Herinandro taorian’io, ny zoma 24 septambra, am-perinasa ny PDS vaovao nasolo azy, dia Rakoto Deux Richard. Talen’ny kabinetran-dRabetsitonta Tovonanahary, fony ity farany, ministry ny toekarena sy ny teti-pivoarana ity PDS ity. Niasa tao amin’ny fandaharan’asa SAHA, miaraka amin-dry zareo Soisa izy nialoha izao nanendrena azy hitantana ny renivohitr’i Menabe izao. Zanaky ny Faritra izy, ary manaraka ny firehana TGV amin’ny resaka politika. Ny fandraisana ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, avy hatrany no nitsena ity PDS vaovao ity vao voatendry izy. Tonga tany nametraka ny vato fototry ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha-35, mirefy 47 km mampitohy an’i Morondava sy Mahabo ny filohan’ny FAT ny sabotsy 25 septambra ary nitohy tamin’ny fitokanana baka tao Belo Tsiribihina ny ampitson’io.

Fa nandritra ny lanonana famindram-pahefana notanterahina omaly no nanambaran’ny Ben’ny tanàna noterena hametra-pialana fa dia ho kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, izay efa nambaran’ny FAT fa hatao ny 20 desambra 2010 ny tenany.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT