Politique

Norvezy Nanakatona ny masoivohony


  • Alakamisy 07 Jolay 2011

Nanomboka tamin’ny faran’ny volana jona lasa teo dia nikatona ny Ambassade Royale de Norvège teto Madagasikara.

 Birao vaovao antsoina hoe masoivohon’i Norvezy tsotra fotsiny no mivoha. Hatreto dia tsy manana masoivoho ity firenena ity fa mpanolotsaina no hiandraikitra izany, Rtoa Elizabeth Heen. Mpanolotsaina izay tsy mbola eto an-toerana aloha hatreto ka ny mpiandraikitra ireo fandaharan’asa no hisahana izany mandrapahatongan’io mpanolotsaina vaovao io, dia Rtoakely Hilde Dahl izay hiandraikitra ny asa andavanandro. Any amin’ny masoivoho soisa kosa no aleha raha toa ka mila “visa Schengen”. Hatreto izany aloha dia masoivoho vahiny telo no lasa ary tsy mbola fantatra izay hiverenany amin’ny laoniny dia i Etazonia, Soisa ary i Norvezy. Ireo masoivoho ireo moa dia anisan’ireo nanapaka ny fiaraha-miasany amintsika noho ny tsy fankatoavany ny fitondrana nalaina tamin-kery. Ny sehatry ny maha olona sisa no hanampian’izy ireo antsika.

 

 Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT