Tsy tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ingahy Norbert Lala Ratsirahonana, izay nanao fiantsonana kely tao Parisy nialoha ny nihazoany an’i New York niara-dia amin’i Andry Rajoelina, ny nahazo azy.
Sorabaventy misy soratra mena midorehitra, milaza fa «jiolahimboto sy tompon’andraikitra amin’izao fahorian’ny vahoaka izao Ratsirahonana» no napetaky ny Vondrona Gasy Tia Tanindrazana na GTT manohana an’i Marc Ravalomanana teo anoloan’ny hotely nipetrahan’ity mpanolotsaina an’i Andry Rajoelina ity. Ho an’ny GTT moa dia i Norbert Ratsirahonana avokoa no namolavola iny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 iny.
Nandritry ny fahefatradiny dia notakian’ny GTT ny hilazany momba ny fodian’ny filoha Ravalomanana sy ny famoahana ireo gadra politika. Nanambara ingahy mpanolotsaina fa ny SADC no tsy manaiky ny hiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara. Momba ny gadra politika, ao anatin’izany ny jeneraly Raoelina dia nambaran’i Norbert Lala Ratsirahonana fa efa voaheloka ity farany ary anjaran’ny fitsarana izany ary nampiany fa tsy tompon’antoka amin’ireo rehetra ireo ny tenany. Ho an’ny GTT moa dia tsotra ihany ny resaka. Tsy misy fifidianana azo ekena raha tsy mody eto Madagasikara i Marc Ravalomanana. Hita ho tera-tsemboka ihany i Norbert Lala Ratsirahonana teo anatrehan’ity hetsika nataon’ny GTT ity, izay somary tampoka ho azy ihany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.