Namoaka tenimita ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny 14 novambra 2016, mampihantona ireo fifidianana fanavaozam-pitantanana eny anivon’ireo federasiona spaoro sy hetsika ara-panatanjahantena rehetra.
Mila fitoniana sy fiaraha-mientan’ny olom-pirenena ny fandraisan’i Madagasikara ny fivoriana an-tampon’ny Frankôfônia, hatao ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra, ka izany no antony raha ny voalazan’ilay tenimita. Hatramin’ny faran’ny volana novambra izao moa ity fepetra ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.