Omaly tolakandro no niseho ity fifandonana tany Toliara ity. Vahoaka maro no tonga nanohina ny antso nataon’ny profesora Elindraza Mandridake. Noho ny fahatsapana ny fahalatsahan’ny firenena amin’ny kizo izay mitranga amin’izao fotoana izao mantsy dia tapa-kevitra ny tenany fa hijoro.
Nilaza mihitsy izy nandritra ny valandresaka izay nataony tamin’ny mpanao gazety ny talata teo fa na hamoizany ny ainy aza izany fijoroana izany dia vonona izy. Omaly ary dia niantso ny mponina tao Toliara izy hiara-dia aminy. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nahazaka olona tokoa ity profesora ity. Tao amin’ny kianjan’ny demokrasia amoron-dranomasina mantsy no saika hanaovana ny fihetsiketsehana saingy efa feno miaramila mialoha izany toerana izany. Niezaka niresaka tamin’ireo miaramila ihany ny profesora saingy tsy vita akory ny dinika tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany dia nirefotra ny grenady. Tezitra noho izany ny mponina tany an-toerana ka nanehoan’izy ireo ny hatezerany ny Radio Soatalily, na RNM ao an-toerana. Nisy ireo nibata izay zakany tahaka ny «camera» sy ny ordinatera isan-karazany. Navoakan’ireo olona teo an-tokotany ireo entana ireo ka teo no nandoroan’izy ireo izany. Tsy vitsy ireo olona ka izay no anton’ny tsy nahafehezan’ny mpitandro ny filaminana tany ity toe-draharaha ity.
Tsara ny manamarika fa ity profesora ity dia tsy olon-kafa fa ny zokiny ihany koa efa nogadarain’ny FAT tamin’ilay resaka Tokobe Telo vao tsy ela akory izay. Tamin’io fotoana io moa dia nijoro ny zanak’i Toliara nanohitra izany ka voatery tsy maintsy navoaka i Mandridaky Rabeony. Raha tsiahivina fotsiny ny zava-nitranga tamin’ny talata teo dia tao amin’ny trano fandraisam-bahiny Croix du Sud ilay valandresaka no natao. Anisan’ireo natsikafon’ity profesora Elindraza Mandridake ity ny aferana “bois de rose” ataon’ireo mpitondra FAT. Tsy hanaiky izany aho, hoy izy fa hijoro. Ny mponina any Toliara moa amin’izao dia efa leo tanteraka araka ny loharanom-baovao amin’ny fahasahiranana. Omaly ihany dia efa niparitaka ny feo tao Toliara fa hosamborina ilay profesora. Hatramin’ny fotoana nanoratana anefa dia tsy mbola tontosa izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.