Politique

Niteny ny vahoaka Main’ny afo natsangany ny FAT


  • Alakamisy 18 Novambra 2010

Main’ny afo natsangany ny FAT. Izay no azo hanambarana ny zava-nitranga omaly taorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka.

 Raha ny tena marina dia fitsapana ny hevitry ny akama sy fampandaniana ny lalàmpanorenan’ny FAT no natao omaly. Hoy indrindra ny mpandinika ny raharaha politika iray tafaresaka taminay hoe : «fahafaham-baraka faratampony no azon’i Andry Rajoelina sy ny FAT noho ny tahan’ny fandraisan’anjara ambany dia ambany. Mazava izao fa tsy naharesy lahatra ny olona io datin’ny 17 novambra io fa maimaika loatra. Tsy nahomby ny kabary ambony vavahady, tsy nisy vokany ihany koa ny fizarana fanomezaa etsy sy eroa narahana fitsidiham-paritra sy fivarotana PPN mora. Tsy tonga nifidy namaly ny antsony ny Malagasy ary nampiseho ny tsy fankatoavany intsony ny amboletra ataon’ny FAT amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Tsy ho afa-baraka tahaka izao ry zareo raha nihaino ny hetahetan’ny olona sy nanaiky ny hifampidinika amin’ny maro an’isa. Tafalatska ambany amin’izao fotoana ny herin’ny fitondran’i Andry Rajoelina ary harapak’ireo Ankolafy hafa fotsiny ry zareo amin’ny fifampiresahana manaraka. Be loatra tsinona ny hadalana sy ny fandikan-dalàna nataony».

Manitikitika ny saina ihany koa manoloana izao fahavitsian’ny mpifidy izao ny hoe : fa nankaiza daholo ary ireo nolazain’ny FAT fa vahoaka nanatrika ny Fihaonambem-paritra sy ny Teny Ifampierana, ny Dinika Santatra, ary ny Fihaonambem-pirenena ? Efa tsy resahana intsony ireo nambara fa vahoaka nanohana an’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Nahoana no tsy nirohotra nifidy ka nampiakatra ambony ny tahan’ny fandraisan’anjara ireo nambaran’ny mpitondra FAT hatramin’izay fa vahoaka Malagasy manohana ny fanovana ireo. Raha ny tena marina mantsy dia mihoatra ilay 52% mahery nifidy an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2006 izany no nanohana an’i Andry Rajoelina matoa niongana ny fitondrana teo aloha. Raha izay ihany no arahana dia tokony ho lojika raha mihoatra ny 50% ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpifidy omaly. Tena lavitry ny afo anefa ny kitay, ary ny antsasak’io aza tsy tratra akory.

Hoy indrindra ny raim-pianakaviana iray manoloana izany rehetra izany hoe : “Lesona lehibe ho an’i Andry Rajoelina sy ny FAT ireny fa tsy azo fitahana mandrakizay izany ny vahoaka ary misy fetrany ny herin’ny vola. Iza no tsy mahalala fa nizara vola tetsy sy teroa ny mpitondra ao anatin’ izao fitondrana tetezamita izao mba hanamafisana ny sezany. Tsy azo ianteherana anefa io satria rehefa ela ny ela mifoha amin’ny torimasony ny olona ary manaja ny foto-kevitra ijoroany amin’izay dia mitroatra fa tsy hanaiky tsindry aloka eo foana”. Ny namaranany ny fanazavany moa dia ny hoe : “Tsy ny vahoaka mihitsy, fa ny tsy fahalalan’ny vahoaka ny tena zava-misy marina sy ny hafetsifetsen’ireo mpanao politika , no nahatonga an’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana, ary hanala azy eo ny fipoiran’ny marina rehetra.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT