Politique

Niteny ny SADC Omena amnistia Rajoelina


  • Alakamisy 17 Janoary 2013

Tsy niandry ela ny SADC fa omaly vao maraina ihany dia efa namoaka fanambarana ofisialy niarahaba ny fanetren-tenan’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izay samy nilaza fa tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

 Manamafy ny SADC fa ny tondrozotra irery ihany no lalan-tokana hahafahana miala amin’ny krizy eto Madagasikara. Ho an’ireo izay manana eritreritra hafahafa na miketrika paikady any ambadimbadika any dia namerina indray ny SADC fa zava-dehibe ny fanajana ny tetiandrom-pifidianana napetraky ny CENIT sy ny Firenena Mikambana ; ary ny SADC dia manaiky fa tanterahana amin’ny volana mey sy jolay 2013 ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka, araka ny efa nandaharana sy nandaminana azy. Valinteny mazava amin’ilay sosokevitry ny filohan’ny tetezamita ny fahitana izany, ary filazana amin’ny fomba diplaomatika fa ny fifidianana filoham-pirenena no tsy maintsy alefa mialoha manaraka avy eo ny fifidianana solombavambahoaka izay ampiarahana amin’ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana filoha.

Fa ny somary nanaitra tamin’ity fanambaran’ny SADC ity dia ny fangatahany ny hampiharana ny famotsoran-keloka faobe amin’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ary ireo mpitandro filaminana malagasy. Ny an’ny filoha teo aloha dia efa fantatra fa nisy ny fitsarana sy didy efa nivoaka na dia tsy mbola raikitra aza, tsy mbola nisy kosa anefa ny fitsarana ny filohan’ny tetezamita saingy ho an’ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena izany dia olo-meloka mila famotsoran-keloka koa i Andry Rajoelina noho ny zavatra nataony mialohan’ny nahatongavany teo amin’ny fitondrana sy izay mety nataony tao anatin’ny tetezamita. Ny mpitandro filaminana ambara fa omena famotsoran-keloka eto, angamba dia mety ny sasany tamin’ireo nanao ny «Opération Tandroka” tany atsimo, izay nahazo fanakianana maro dia maro ankoatra ireo tao anatin’ilay lisitra 109 nomelohin’ny CPS na filankevi-pilaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikana.

Ankoatr’izay dia miantso ny Parlemantan’ny tetezamita mba handany sy hankatoa ny lalàna mahakasika ny sata manokana momba ireo filoham-pirenena teo aloha ny SADC ka hisy ny tombontsoa manokana omena azy ireo sy ny hiarovana azy ireo amin’ny resaka fitsarana (immunité). Karazana fandravonana ny zavatra rehetra niadian-kevitra sy noresahana tao anatin’ny efa-taona ity fanambaran’ny SADC ity, izay raha ny fahitana azy dia natao mba hampitsaharana tanteraka ny fifandirana sy ny fifanenjehana rehetra nisy teto. Ary raha ny fandinihana tsotsotra azy dia tahaka ny hoe aleo ny lasa homba ny lasa ka tsy hiadian-kevitra lava be intsony, fa aleo kosa hiaraka hibanjina ny hoavy ka samy hitondra ny anjara birikiny avy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Raha ampiharina miaraka amin’ny tondrozotra ity fanambarana tena politika be ity, dia tsy misy olona na dia iray aza amin’ ireo voatonotonona nandritra izao fitondrana tetezamita izao, na sivily izy na miaramila, na mpitondra teo aloha na amin’izao fotoana, ka henjehan’ny fitsarana, na tavela any am-ponja na mbola mialokaloka any ivelany. Raha ny fitadidiana dia ity angamba no hany fanambarana mba tena nazava tsara navoaky ny SADC, hatramin’izay ka voalaza mazava ny zavatra tokony atao sy ny olona tokony hampiharana azy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT