Politique

Niloa-bava i Tantely Andrianarivo «Takalon’aina ny vahoaka»


  • Alarobia 27 Oktobra 2010

Nandalo tao Antsirabe ary nitafa tamin’ny vahoaka tao an-toerana ny Praiministra teo aloha Tantely Andrianarivo ny antoandron’ny talata 26 oktobra teo. Teo amin’ny Kianjan’ny kolontsaina manoloana ny Tranompokonolona Antsirabe no nifamotoanany tamin’ireo mpikatroka Arema.

Azo lazaina ho maromaro ihany no nanoina ny antso na dia tampoka aza ity fandalovany tao Antsirabe ity, satria raha ny fandaharam-potoanany dia ny faritra Matsiatra Ambony no hovangiany. Noho ny fiangavian’ireo kamarady teo aloha dia nisy ity fihaonana ity. Nisongadina nandritra ny lahateniny fa fotoanan’ny fifohazana izao ho an’ireo mpomba sy mpikatroka namany taloha ary ho an’ny fampandrosoana no tokony himasoana maika. Raha ny zava-misy mantsy dia variana amin’ny ady seza ny mpitondra ary tena adino tanteraka ny vahoaka eny ambanivohitra. Anisan’ny nampalahelo azy ny fahapotehan’ireo ireo asa fampandrosoana maro efa somary nisongadina sy nampiavaka an’i Vakinankaratra toy ny fiompiana omby be ronono sy ireo asa fanamboarana lakan-drano ho an’ireo tantsaha.

Nohamafisiny koa fa tsy olona iray no afaka hanova an’i Madagasikara fa ilaina ny firaisan-kinan’ny rehetra. Voalazany ihany koa fa tsy mbola laharam-pahamehana ho azy ny toerana fa tonga hihaino sy hijery ny zava-misy marina no mbola ataony. Anisan’ny fanamarihana nataon’i Tantely Andrianarivo ny maha takalon’aina ny vahoaka amin’izao fotoana vokatry ny adilahy politika diso tafahoatra sy ny jadona samihafa ataon’ireo milaza ho mpitondra amin’izao fotoana. «Izany ve no hampandroso an’i Madagasikara», hoy izy. Izay no ivoizany fa tsy misy afa-tsy ny fihavanana sy ny fifamelana ihany ary ny fifanomezan-tanana no ahafahana mampandroso antsika. Nasiany teny ihany koa ny mahakasika ny fifidianana efatra misesy izay kasain’ny FAT hatao ato ho ato. Raha ao anatin’ny enim-bolana no hanomana izany dia mampametra-panontaniana ihany ny mety hampangarahara azy. Voalazany tao Antsirabe ihany koa fa maro ny tatitra azony fa niova tamin’ny fifanarahana teny Ivato ny fehin-kevitra avoakan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao araka ny filazan’ireo namany nanatrika izany. Marihina fa nahazo fanomezan-dalana avy amin’ny Kaominina sy ny Faritra moa ny hetsika famorian-bahoaka nataon’ireto mpikatroka Arema tao Antsirabe nitsenana ity mpitondra ambony ity teo aloha ity.

Tazana nanome voninahitra azy aza ny DAGT-n’ny faritra sy ireo mpanao politika maromaro avy amin’ny Arema tao Antsirabe notarihin-dRamerci. Omaly ihany dia nihazo an’i Fianarantsoa i Tantely Andrianarivo, hisy ny famoriam-bahoaka hataony any anio  Alarobia. Namela malalaka ny fahatongavany ao sy ity famorian’olona hataony ity rahateo ny PDS Pety Rakotoniaina. Raiamandreny iombonana i Tantely Andrianarivo ka malalaka ny fahatongavany eto ary raisin’ny tanàna izy, hoy i Pety, raha niteny tamina radio tsy miankina tao an-tanàna ny alatsinainy. Fianarantsoa izany izao no tanàna fahefatra taorian’Ambositra sy Mahajanga ary Antsirabe.

 
Nangonini Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT